EDITO 3 Desambra – Fahasahiranana lalina ara-tsosialy – Fitahan’ny fitondrana amin’ny rendrarendra ivelany ny vahoaka

Radafy

Rehefa miteny matetika ny filoha Rajoelina Andry, momba ny asa hotanterahiny dia zavatra maneho rentirenty ivelany mamirapiratra hatrany no ambarany sy idedahany. Anisan’ny nambarany, ohatra, ny hanao izay hampamirapiratra ny araben’ny fahaleovantena amin’ny desambra amin’ny fidirana amin’ny volon’andro fety. Tena ilain’ny sarambabem-bahoaka marina ve izany ao anaty fahasahiranana lalina iainany andavanandro noho ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mitsahatra isan’andro lava izao?

Mikasa hanao kianja manara-penitra maro eto amin’ny firenena ny tenany, ny tenany hatrany moa no ambarany, fa tsy ny fitondrana miaraka amin’ireo ekipany. Filoha mpizahozaho. Fa hitondra inona amin’ny fivoaran’ny baolina kitra izany raha mbola ny rafitra hatramin’izay sy ny foto-pîsainana manavakavaka sy resaka akamakama no mbola manjaka?

Sahirana ara-tsosialy mafy ny 90% ny vahoaka Malagasy. Langilangy zozoro ihany no fahitana ny fitondrana, ka tsy hita izay vahaolana matotra sy misongadina. Ny fahatsapana izay no mety anton’izao politikan’ny rendrarendra ivelany sy rentirenty hamitaha-maso sy hanariana dia ny vahoaka izao ankehitriny.

Mikaikaika avokoa ny isan-tokantrano amin’ny fiakaram-bidin’ireo vidin’entana fanjifan’ny mponina andavanandro. Aiza izay vahaolana atolotry ny fitondrana amin’izany? Tsy misy, fa zavatra no mody ambara sy atao. Maninona no fitahina ny vahoaka ? Moa tsy fanaovana politika maloto eto amin’ny firenena izany?

Ny mahasorena ny maro dia aviavy be ery amin’ny fitenenana ny filohan’ny repoblika rehefa miresaka amin’ny haino aman-jery miaraka amin’ny mpanao gazety fantenany, ka mitsikera ireo mpanohitra azy. F’angaha izany no fahaizana mitondra firenena ? Hadisoana bevava izany, ary tena maneho tsy fahaiza-mitondra firenena sao diso hevitra.