Fitantanam-pirenena : Mba henoy ihany ny hevi-bahoaka

Sôh’son

Ny asa fampandrosoana tsy ikimpiana ka handratrana ny fon’ny mpiray tanindrazana na hanaovana izay mampalahelo azy. Tsy fampandrosoana raha izany no mitranga ary tsy fanasoavana ny vahoaka. Tsy andron’ny fanaovana sorona intsony izao vanim-potoana ankehitriny izao, fa ny sokajin’olona mirona mankany sy ny manakim-piainana amin’ny maizina sisa no manao izany. Miendrika fanaovana sorona ihany mantsy raha toa ka misy herisetra miseho amin’ny endrika samihafa na dia tsy mivantana aza atao amin’ny vahoaka.

Dika vilana ary hamaizinan-tsaina ihany ny fandraisana ny fanoherana ataon’ny vahoaka amin’ny fikasana hanao asa iray eo amin’ny tany onenany efa hatrany amin’ny razambeny na ndeha atao hoe ny ray aman-dreniny. Efa tanindrazany rahateo no ilazana izany indrindra raha misy fasan-drazany eo. Tsy hisy afaka hilaza fa mampandroso sy mahavelom-panantenana ireo olona na mponina izay voatohintohim-piainana izany herisetra izany. Ny hita hatrany amin’ireo firenena tany ivelany nanao izany, dia ireo avy ivelan’ny faritra nisy azy ireo no nisitraka sy nigalabona tamin’izany asa natao amboletra izany. Ka aoka tsy hifamitaka eto amin’ity firenena ity,  aoka izay ny fanaovana ho zaza ny vahoaka, ka ezahina ambakaina hatrany. Tsy misy olona na mponina tsy te-handroso izany eto ambonin’ny tany, fa tsy eto amin’ny firenena ihany. Fa ilay asa fampandrosoana kasaina tanterahina mihitsy no aoka atao amim-pahendrena sy feno fanadihadiana lalina.

Raha momba ny raharaha Ambohitrimanjaka sy ny kaomina manodidina azy rehetra dia tena niaraha-nahita sy nivandravandra toy ny kary an’efitra fa tsy noheverina am-pahendrena sy tsy nohalalinina sy nadihadiana fatratra. Porofon’izany izao toe-draharaha nafana teny an-toerana izao. Fa raha narahina tsara izany dingana izany nandeha nizotra izany. Izao efa saro-dalana, ka tsy ho tafavoaka ny fikasan’ny fitondrana, ny hanao amboletra angaha no tsy fantatra.

Manan-tantara ary azo lazaina ho vakoka i Betsimitatatra. Mirefy eo amin’ny 5 na 6000 ha eo ny velarany. Tsy ny mponina eny ihany no miankina amin’ny vokatra vokariny fa ny mponin’Antananarivo renivohitra manontolo nandritry ny taona maro. Mazava loatra fa ho voatohintohina ihany koa ny vokatra fanjifan’ny mponina izay amin’ny tetikasan-dRajoelina. 1000 ha no kasaina hototofana izay azo sainina tsara ny habetsahan’ny vokatra potika ao anatin’izany. Tsy azon’ny saina ikimpiana ny tsy hieritreritra ny ho fidangan’ny vidim-bary any aoriana vokatr’izany.

Hatreto ny sain’ny maro, tsy ny mponina eny amin’ireo kaomina ireo ihany, tsy resy lahatra ny amin’ny hanatanterahana io tetikasa io eny. Raha mpitondra hendry dia mihaino ny feom-bahoaka marina tsy mankasitraka izany toy ny fahendrena nananan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina nitondra ny vahoakany. Tsy tapi-pahaizana toy ireo mpitondra ankehitriny kanefa tena nahay lavitra miohatra azy ireo amin’ny fitondrana fanjakana sy ny vahoaka. Mila mieritreritra sy mandini-tena lalina ny fitondrana ankehitriny amin’izany.
Misy manolo-kevitra toerana hafa tsy lavitra ny renivohitra ihany koa nefa azo atao tsara hoy ny mpanolo-kevitra, fa asa na mba henoin’ny fitondrana izany. Misy ihany koa ny nanipy teny ny amin’ny hijerena an’i Laniera. Nahoana, hoy izy ireo raha eny no atao ity tetikasa kasaina atao amboletra ity? Eny Laniera mantsy lazaina fa novidian’ny karana tamin’ny vidiny mora sy ambany, koa maninona raha averina aminy ny volany. Ireo koa tsy mararirary aina amin’izany satria tsy olona hihevitra ny hamboly akory, fa bizina hafa miainga avy amin’ny fanorenan-trano matetika. Mirefy eo amin’ny 1055 ha eo ny velaran’i Laniera raha ny fantatra. Azo ambara ho mifanaraka tsara amin’ny filan’ny fitondrana izany. Kanefa raha mbola misy vahoaka manohitra ihany koa eny dia tsy tokony hatao tsinontsinona fa mila mitady hevitra sy toeran-kafa ny fitondrana Rajoelina.

Dia ho sanatria ve toka-maso na ho faty an-kazotokana ity fitondrana ity? Ho very ny vahoaka sy ny firenena raha toy izany tokoa, fa ny mpitondra dia mila manana fijery mivelatra sy afaka mahita zavatra maro ary indrindra mahatsinjo lavitra. Izay rahateo no hanakaramana azy volabe aman-tapitrisany maro. Tsy ny tany azo anaovana tetikasa toa io akory no tsy misy eto, fa hateren-tsaina ny tsy mahita izany.

Tsy mahamenatra ny mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra, ary tsy hadisoana. Tena fahaizana mitantana firenena aza izany, fa hagaigena kosa ny fanaovana amboletra hatrany na dia efa hita izao aza fa tsy mety. F’angaha rehefa nisy fanatotofana ny faritra sasany teto Antananarivo renivohitra fahiny, dia iny koa fa mbola mihevitra ny afaka hanohy izany ankehitriny? Tsy sanatria toy ny fihetsiky ny soavalim-boatiry ve izany, tsy mahita afa-tsy izay hitan’ny masony? Tsy mitovy ny toe-javamisy “contexte” tamin’izany fotoana izany sy ny ankehitriny, fa aoka hanana fanahy mahay manavaka. Toetra iray takiana amin’ny mpitondra firenena ihany koa izany.