EDITO 28 Novambra – Tsy ny kianja no manandratra ny baolina kitra fa ny mpilalao azy

Radafy

Milaza hanao kianja maro ny fitondrana Rajoelina manomboka izao, taorian’ny fitokanana ny kianja tany Toamasina, mbola resaka hafa iny, sy ny tsikera nataon’ny filohan’ny Fifa nandalo teto Madagasikara momba ny kianjan’i Mahamasina. Dia niaraha-naheno ny tenin’ny filohan’ny Repoblika ny amin’io kianja manan-tantara io. Mbola mampieritreritra ny mpandinika maro ny amin’ny nanomezany avy hatrany tsy nierana ny amin’ny anaran’io kianja io. Mbola resaka hafa ihany koa iny, fa ny hita dia nihazakazaka amin’izany fanamboarana kianja izany ny filohan’ny Repoblika ary ny hita ambadik’izany dia ny governoran’Analamanga.

Nambara fa mba ho fampandrosoana ny taranja baolina kitra no anton’izany asa izany. Rehefa tena dinihina lalina anefa ary hoan’ny tena niaina sy nilona marina tao anatin’izany taranja baolina kitra izany, miainga any amin’ny fahakeliny mandrapaha lehibeny dia tsy ampy hampandrosoana ny baolina kitra izany. Raha te hampandroso marina ny baolina kitra dia any amin’ny fototra mihitsy no mila jerena, ilay mpilalao hanandratra ilay baolina kitra. Aoka atoro an-dRajoelina sy ny ekipany fa tsy ny kianja tsara tarehy no manandratra ny baolina kitra, fa ilay olona milalao azy. Fa raha izany dia ny arabo, ohatra, no efa lasa lavitra sy sangany amin’ity taranja ankafizin’ny maro ity, noho ny fananany vola aman-karena, ka afaka nanao kianja faran’izay raitra izy. Miankina amin’ny mpilalao io, ary ny Malagasy dia manana olona, fa tsy voajery, tsy voatsinjo.

Ny tiana holazaina dia tsotra, hatreto dia dia tsy ampy ny fitiliana ireo zaza, zatovo, tanora tena manana talenta amin’io baolina kitra io manerana ny faritra maro. Tena misy anefa ny mahay an’io baolina kitra io eto, fa tsy tazan’ny tompon’andraikitra na mpanazatra. Ny hitan’ireo dia tsy misy afa-tsy ireo efa any anaty ekipa isan-karazany any ihany. Tsy ireny mpilalaon’i Barea ihany no mahay eto, ary azo lazaina fa mbola tena misy tanora Malagasy mahay baolina noho ireo any, fa tsy hita noho ny antony samihafa. Tsy manana rafitra matotra sy maty paika amin’izany isika eto Madagasikara hatramin’izao, hikarohana azy ireny any anaty tanàna rehetra any. Tsy hita loatra ao anaty programan’asan’ny federasiona ankehitriny koa aza izany. Efa nisy taloha fa niha-narefo ny amin’ny “sport scolaire”, izay tena rafitra iray fikarohana zaza na zatovo na tanora, afaka hahay sy hilalao baolina kitra. Nisy fotoana avy amin’ireny no nipoiran’ny mpilalao baolina kitra Malagasy tamin’ny ekipam-pirenena. Taty aoriana anefa niha-nitsipozipozy io rafitra io satria tsy nasian’ny fitondrana hasiny firy. Any amin’ireny sehatra ireny, na eny anivon’ny fokontany dia tokony hisy rafitra matotra tokony hipetraka raha te hanandratra marina ity baolina kitra Malagasy ity isika, fa tsy resaka kianja velively akory. Zava-poana ihany izany ary hiantehitra mandrakariva amin’ireo mpilalao any ivelany isika. Eto anefa misy afaka hahavita tsara lavitra raha voatily sy ampy tsara ny rafitra hitaizana azy ireny.