TSY MITOVY NY ANTSIKA NY MANARA-PENITRA

Ny hohanina anio sy ny hohanina ampitso no maika aminay,
Fa tsy ‘zay tetikasan’ny be mokon-doha te hiseho hoe mahay.
Raha ‘zay kianja malalaka , manara-penitra, andeha atsaharo
Fa tena tsy ‘zany amin’izao no ilain’ny besinimaro !

Ny hohanina anio sy ny hohanina ampitso no maika aminay,
Fa tsy mila ireo fampanofisana lava ho fanampin’izay.
Ho anareo dia ny “mahafinaritra” hatrany no tena imasoana
F’izay “mahasoa” sy ‘zay hoe “mampandroso” dia rambony foana.

Ny hohanina anio sy ny hohanina ampitso no maika aminay,
Fa tsy ‘zay rediredy na koa fitapitaky ny olona iray,
Ka rehefa mba mihinana sy mba mitafy ‘zahay sy ny ankizy
Dia ‘zay aminay ‘zao no “manara-penitra” sy “tena izy” !

Tsy mila izay rendrany sy ravindraviny ny toa anay,
Ary tena efa leon’ny kobaka am-bava , efa fay , tena fay.
Ka ny manara-penitra mbola antenaina dia tokana ihany:
Tsy mila mpitondra mpamita-bahoaka hitondra ny tany !

Ny manara-penitrareo dia ny mihinana na koa miletra !
Ny manara-penitrareo dia ny miaina amin’ny asa voretra!
Ka tsy mahagaga raha toa mifanohitra lava eny isika,
Satria tsy mitovy na fomba fitendry na koa ny mozika !

DADAN’i ZINA (26-11-19)