Fifidianana – Tanora vonona hiaro ny safidim-bahoaka

Tsy handefitra amin’ireo endrika hala-bato sy fanodinkodinana ny safidim-bahoaka ireo tanora mpitarika fanatanjahan-tena eto andrenivohitra raha toa ka hisy izany.

Hanatevin-daharana antsitra-po ireo rehetra vonona ny hiady ho an’ny fahamarinana sy ny mangarahara izy ireo araka ny fanambarana nataony androany.