INONA NO MBOLA HITANANA IREO EKIPA TSY MAMELY ?

Inona no mbola hitanana ireo ekipa tsy mamely?
Sa ‘zay mety ho valifatiny no tsy tanty ry boaikely?
Misy anie no efa hita fa tsy hamokatra intsony,
Nefa toa arovan-dava ka manao ny sitrapony!

Re dia re ny toromarika fony tany am-piandohana,
Fa hoe ‘reo ‘zay tsy mahomby dia tsy anaovam-piantrana.
Saingy teny ihany ireny dia nandalo sy nanidina,
‘Zao ny “tombanao” tsarovy f’efa midina dia midina !

Inona no mbola hitanana ireo ekipa tsy mamokatra?
Zao ‘ty lamasininao toa maka tahaka ny sokatra.
Ny famindrany, indrisy ! tena hoe midraikodraiko,
Moa ve tena tsy tafita ny hafatrafatra sy baiko?

‘Zao ve ilay mba lamasinina noheverina ho raitra?
Sa ny teny sy kabarinao no tena tsy mandaitra?
Sao ianao no tsara miala dia hilamina ny tany?
Raha izao no zava-misy, tena izay no hiafarany!

DADAN’i RIANA (21-11-19)