HENOY NY FEOM-BAHOAKA

‘Ndeha henoy ny feom-bahoaka ry mpitondra bemarenina,
F’aza tia manao bontolo sady sarotra tenenina.
Tanimbary no hototofana , nefa maro ny tanety ?
Hevitr’olon-tsy misaina k’atsaharo fa tsy mety !

‘Ndeha henoy ny feom-bahoaka ry mpitondra bemarenina.
Ataovy resaka mazava f’aza misy afenimpenina.
Ny fiarahana mitantana ireo nosy manodidina
Dia midika f’ianareo dia efa tena “lohan’angidina” !

‘Ndeha henoy ny feom-bahoaka ry mpitondra bemarenina.
Mbola misy ny fotoana hahafaha-miala-nenina.
Tranobe mijoalajoala , tsy izany izao no maika
Fa “ny anion’ireo vahoaka” , izay no mampikaikaika !

‘Ndeha henoy ny feom-bahoaka ry mpitondra bemarenina.
Hiakatrakatra ny feo , vao mainka hiasa koa ny penina,
Raha ny lova sy harena na fananam-pirenena
No amidy fahatany na anaovana hafetsena.

‘Ndeha henoy ny feom-bahoaka ry mpitondra bemarenina.
Tena misy toko tapaka sy vilany mila harenina.
Mila fanetrena tena ny manarina an’izany.
Tsy hain’ny mpitondra gaigy, fetsifetsy, be vinany !

DADAN’i RIANA (24-11-19)