RY KOMITY ! RY KOMITY !

Ry komitim-pifidianana mitanila sy miandany,
Tombontsoan’iza moa no arovanao hatrany hatrany?
Sao tsy ny an’vahoaka, sao tsy ny an’ireo mpifidy
Fa ny an’iretsy ngeza, sahy mividy sy mandidy?

Be ny fandikan-dalàna re sy hita ombieny ombieny,
Saingy aiza ny komity no mangina tsy miteny?
Sa dia tena mbola misy ireo ambonin’ny lalàna
Dia ireo mpitondra ambony sy ‘reo olom-panjakana?

Raha vao ny hafa no miteny fa maniry ny hanazava,
Dia miseho ‘nareo komity sady tena avo vava.
Toy ny milamila dera, toy ny manamafy toerana,
Ka dia tena miantsanantsana sy miteny tsy am-piheverana!

Moa baikoin’ny “ao ambony” dia mitrena dia mitrena,
Ka tsy nanana intsony izay mba fahaleovantena?
Mihevera, mihevera raha dia olon`ny lalàna
No hirefarefa ambany , diso lalana hombàna !

… Ry komitim-pifidianana mitanila sy miandany,
Tena andronao ny omaly, mbola andronao ny androany.
Saingy raha ny ampitso kosa dia tsy ho andronao intsony,
Fa hitroatra ny vahoka raha verezinao ny zony!

DADAN’i ZINA (14-11-19)