EDITO 15 Novambra – Fiainana andavanandro – Ho mafy ny fiatrehan’ny vahoaka ny fiafaran’ny taona

Radafy

Tsy nisy fihenany ny vidim-piainana tamin’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity. Samy niziriziry sy nidongizina tamin’ireo vidiny nidangana avy ireo entana samihafa fanjifan’ny vahoaka andavanandro. Olana tsy voavahan’ny fitondrana ny fampihenana io vidim-piainana io tato anatin’ny 11 volana nitondrany ny firenena. Ny vidin-tsakafo ilaina andavanandro toy ny vary, menaka, henomby sy henan-kisoa, ny siramamy, tsy nisy fihenany, hatramin’ireo saribao fandrahoan-kanina izay tsy nihena intsony mihitsy ny vidiny tato anatin’ny taona dimy farany eo izao. Ny vary mora sy ny karazany any amin’ny tsena mora tsy misy fiantraikany na kely aza eny amin’ireo tsena mora heverin’ny fitondrana hamahana olana ny sosialim-bahoaka. Toy ny ezaka natao tamin’ny fifampiraharahana tamin’ireo mpandraharaha ny solika, ka zara fampidinana ambiviny kely ny vidin’ny solika no vitan’ny fifampidinihana, hany ka tsy nisy fiantraikany ihany koa teo amin’ny fiainam-bahoaka. Ny saran-dalana tsy nisy fiovàny ary mifampiankina amin’izay ihany koa ny vidin’ireo entana fanjifan’ny vahoaka rehetra. Izany hoe ny vahaolana entin’ity fitondrana Rajoelina ity dia tefy maika avokoa hatreto, fa tsy mahavaha ny olana fototra iainam-bahoaka.

Araka ny famakafakana nataon’ny mpandalina, dia hihamafy ny vidim-piainana miditra amin’ity volana roa farany ity. Mazava loatra, fa hiaka-bidy avokoa ireo vidin-javatra ilain’ny mponina miditra amin’ny fotoana toy izao noho ny maha fety ny andro. Tsy hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana ny vary mora sy ny tsena mora sy ny entana mora samihafa ambaran’ny fitondrana. Hilalao tanana fotsiny tsy hahavita n’inona n’inona ny fitondrana, fa teny sy kabary tsara lahatra sisa no ho entina handemen-tsaina indray ny vahoaka. Ny fanafodiny, tsy misy azo ianteherana amin’ity fitondrana Rajoelina ity amin’izao volana roa farany amin’ny taona izao, na amin’ny fiandohan’ny taona ihany koa. Izay olona mbola manantena fiainana tsara ato anatin’ireo volana hoavy ato ho ato ireo dia ho diso hevitra tanteraka, fa ho mafy io ary mila manomana saina amin’izany no fahendrena.