EDITO 14 Novambra – Fitondrana Rajoelina – Tsy mbola hita nanome môdely tsara alain’ny vahoaka tahaka

Sôh’son

Tsy mbola nahitana môdely tsara alain’ny vahoaka tahaka ny fitondrana Rajoelina hatreto. Tsy ny fanaovan-javatra sy fizaran-javatra etsy sy eroa akory izany, fa eo amin’ny lafiny fanehoana fahendrena sy fanajana ny soatoavina maha Malagasy tokoa ao anaty fitantanam-pirenena. Fiteny hatry ny ela ny amin’ny hoe ny mpitondra ambony aloha no manome môdely voalohany ho fitaratra dia izay no miampita raisin’ny vahoaka. Ny fitondran-tena ihany koa anisan’ny voalohany mila aseho amin’izany. Raha mbola ny toe-tsaina teo aloha na tamin’ny nikendrena nandrombaka fitondrana teto tamin’ny taona 2009 no mbola entina ankehitriny dia môdely ratsy izany.

Tsikaritra anefa fa mbola misy hatrany ireo sokajin’olona mitana ny toe-tsaina tamin’izany fotoana izany miara-dia ao anaty fitondrana ao amin’izao fotoana izao. Lesona ratsy sy fomba ratsy anefa no naseho sy noezahina nalentika tao an-tsaim-bahoaka. Anisan’izany ny fanabatiana olon-dehibe tokony hohajaina, ny tsy firaharahiana ny mpianatra tany an-tsekoly fa narefodrefotra teny akaikin’ireny toerana ireny ny grenady lakrimôzena nanenjehana ireo mpanohitra ny fitondrana, ny fanilihana sy fanaratsiana ireo tsy mitovy hevitra sy fomba fijery politika, ny famoronana dosie ho an’izay olona noenjehina, ny fanaovana kolikoly sy akamakama teo amin’ny fitondrana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, afangaro politika mandrakariva ny zavatra rehetra atao eo amin’ny vahoaka, sy ny sisa maro tsy ho voatanisa. Tsy misy afaka mandà fa mbola hita ho mitohy izany fomba izany aty amin’izao fitondrana izao. Ny anisan’ny andrasan’ny vahoaka dia ny fanehoana ny fahaiza-mitondra firenena amim-pahendrena lalina tena mifanaraka amin’ny soatoavina maha Malagasy tokoa, fa tsy haingon-dison’ny avy any ivelany tsy mifanaraka velively amin’ny zava-misy eto no tadiavina apetraka amboletra. Raha nety izany dia efa tany amin’ny repoblika faharoa no efa nisy fiovana be dia be teto Madagasikara fa tsy nikorosy fahana toy izao. Tsy fananana traikefa amin’ny toy izany no fahadisoan-dalana izoran’ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Dia iaraha-mahita tsara fa isaky ny misy tetikasa lehibe, ohatra, tanterahina eto amin’ny firenena dia midona amin’ny olana lehibe mandrakariva, toy ny eny Ambohitrimanjaka, sy ny any Toliara.

Ny vahoaka tsy adala na zazabodo ka tsy hahalala izay hahasoa sy hampandroso azy, fa manifika izy rehefa tsy mety aminy. Ny fototry ny olana dia ny tsy fananan’ny fitondrana izay môdely tsara izay eo amin’ny fitantanam-pirenena. Fa io ilay lazaina mandrakariva, fa raha misy izany ka hitan’ny vahoaka, rehefa mandalo eny an-dalambe eny, na ny fiaran-dRajoelina sy ny kôrteziny na ny an’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ny manampahefana miara-dia aminy, dia hisy hitehaka sy ho faly hanofahofa tanana azy ireo. Toy izay nitranga tamin’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara ireny.

Higadona tsy ho ela ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona ary taom-baovao, dia hiaraha-mahita eo indray, firy amin’ireo olona eo amin’ny fitondrana ireo no ho any ivelany hankalazana izany ka higalabona amin’ny harena be azony sy fiadanana, fa ny vahoaka eto kosa hiady amin’ny halafosan’ny vidim-piainana sy miharitra ny fahantrana lalina eto. Tsy misy zavatra tongatonga ho azy izany eto hahafalifaly ny fitondrana, fa miankina amin’izay ataony ihany no mivaly aminy.