Vonoina ve ny mponin’Antananarivo? Fanotofana, fanakanana rano, fanapoizinana rano!

Araka ny lahatsoratra izay navoakan’ny gazety Tia Tanindrazana ny 12/11/2019 (rohy eto) dia manao di-doha ny orinasa sinoa mpanao goudron izay nasain’ny tompon’andraki-panjakana hampitsahatra ny asany. Olona mihoatra ny fito no fantatra fa niharan’ny olana ara-pahasalamana.

Tetika maloto hanoherana izany no ampiasain’ity sinoa tompon’ny ozinina ity, ka vidìna 50.000 ariary ny sonian’ireo olona monina eny an-toerana hanambara fa ilaina ny orinasa amin’ny ady tsy fananan’asa.

Ao anaty filàna tokoa ireo madinika ka mora aviravira amin’ny vola ary tsy mahatakatra ny fiantraikan’izay sonia izay amin’ny ho avin’ny taranaka sy fara aman-dimby.

Fantatr’izy ireo ve fa toerana stratezika Ankazobe Alasora amin’izy andalovan’ny reniranon’Ikopa? Ao an-tsain’izy ireo ve fa eo dia isan’ny toerana fampiakaran’ny Jirama rano amatsiana an’Antananarivo renivohitra. Kanefa poizina avy amin’io orinasa fanamboarana goudron io dia mivarina ao Ikopa?

Mijoro ny mponina eny an-toerana fa anjakan’ny gaboraraka sy ny kolikoly Ankazobe Alasora.