HO ANAREO MPIKARAKARA FIFIDIANANA

Fifidianana maloto no ketrehina ato ho ato?
Tena mampanahy tanteraka ny hisian’ny hala-bato!
Tsy mitovy nomerao ny “mera” sy “mpanolotsaina”.
(Efa fantatra sahady ny hevi-dratsy izay kasaina!)

Nanamafy ny komity tamin’ny resaka sy tafa
Fa ny kandida irery, (tsy azo asiana sary hafa),
Izay no tokony ho afisy, (ny hafa ve manelingelina?)
Dia ahoana ny amin’ireo hoe “miaraka amin-dRajoelina?

Olon-tokana hatrany no tsy tiana sy atahorana,
Ka asiana fingampingana eny an-dalana hizorana?
Tsy ny zava-mampivoatra, tsy izany no ketrehina,
Fa dia misy, tena misy ireo ezahina hopotehina?

Paika ambany toy izany, izany foana ve no voizina?
Tsy mba fanafody no entina fa vao mainka tena poizina?
Mahakivy, mahonena raha dia olon`ny lalàna
No hanan-tsaina tena ambany sy efa tena igagàna!

Tsy “lalàna peta-toko” no hitera-pivoarana,
Fa vao mainka hampitombo ny hosoka sy fangalarana.
Fifidianana madio no andrasana eto Gasikara
Koa dia tanteraho izany, iaino ny mangarahara!

DADAN’i ZINA (11-11-19)