EDITO 11 Novambra – Antananarivo tsy mila mpiara-dia amin’ny mpandoro tanàna

Ny Valosoa

Ao anatin’ny fampielezankevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna isika Malagasy izao : ho an’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra dia kandida 5 no mifaninana ho fidiana ho ben’ny tanàna, ny 4 dia mpiara-dia amin’ny fitondrana saingy mitonona ho mahaleo tena ny 3, kanefa tsy adala akory ny vahoakan’Iarivo, ka tsy ahay hanavaka ny setroka sy ny tomany.

Efa miresaka izay setroka izay indrindra, dia mbola tsy maty ao an-tsain’ny vahoakan’Iarivo ny nataon’ireo tsy mataho-tody nampidona-tsetroka an’Antananarivo ny 26 Janoary 2009, nodorana ny vako-pirenena toy ny Rnm sy Tvm sy ireo fananan’olontsotra teny Behoririka, Ankorondrano, Tanjombato, sns… Nolalovan’ireo mpandoro fotsiny fa tsy nokitihany ny Building Ramaroson, Savonnerie Tropicale, Imprimerie Niag fananan’ny kandida IRD na IRK eto Iarivo , ny haino amanjerin’Ingahy Pds teny Ankorondrano, tsy mahagaga izany satria ireo tanana mpandoro dia efa nahalala mialoha hoe ny an’iza no ho potehina sy dorana ary ny an’iza no arovana. Ankehitriny, tonga ny fampielezankevitra dia miseho ho be fandahatra avokoa izy efa-mianaka, mitanisa ny hoe ataoko an’izao Antananarivo, sns…

Ny vahoakan’Iarivo tsy very tadimpoitra na mitelina voamanadino, ka tsy ahatsiaro ny fangirifiriana nentinareo tamin’ny 26 Janoary 2009 nandorana ny tananany, vahoaka misaina ny eto sady mbola manome lanja ny Kabarin’Andrianampoinimerina manao hoe: fahavaloko ny mosary, ka ny hafatra ho an’izy efa-mianaka dia ilay fanaon’ny mpiandry rehefa mandroaka devoly manao hoe ; didiana tsy hanankery tsy hanampahefana eto ianareo sy ny foronganareo , any amin’ny farihy mirehitrafo no mendrika anareo fa mpandoro tanàna, na mpiara-dia amin’ny mpandoro tanàna. Ny “Filohan’izy ireo” tamin’izany fotoana izany: “Filohan’ny mpanongam-panjakana”, no nanome tso-drano hoe:”mitso-drano anareo aho”…