Fihaonana amin’ny vahoaka isam-baravarana – Kilometatra maromaro an-tongotra no efa vitan’i Rina N°2

Isambilo

Tao amin’ny Boriboritany faha-4, sy tao amin’ny Boriboritany faha-5, ary tao amin’ny Boriboritany voalohany, no notsidihan’ny kandidà ho ben’ny tanàna Rina N°2 eto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo sy omaly. Teny Nanahazana Boriboritany faha-4 izy sy ny mpiara-dia aminy ny sabotsy teo, nitsidika ny mponina isam-baravarana mihitsy, nitafa sy nihaino ny hetahetan’izy ireo. Omaly indray dia teny amin’ny fokontany Soavimasoandro Boriboritany faha-5 no nandehanan’i Rina. Tamin’ireo toerana notsidihany ireo, kilometatra maromaro isan’andro no vitany sy ireo mpiara-dia aminy. Tamin’izany, efa tsy afaka ao ambavan’ny maro ny hoe Alefa Rina.

Tsy zoviana amin’ny mponina Antananarivo intsony ity kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra misalotra ny laharana faha 2 ao amin’ny bileta tokana ity. Kandidà akaiky ny vahoaka ary mahalala tsara ny marary azy ireo satria efa niaina sy nonina tamin’ny faritra iva toy ny teny amin’ny fokontany Nanahazana ao amin’ny boriboritany faha-4. Tamin’ny sekolim-panjakana Malagasy hatrany izy no nanovo fahalalana nanomboka tamin’ny garabola ka hatramin’ny ambaratonga ambony indrindra. Niezaka tamin’ny fiainana i Rina ary nametraka ho fanamby ny hanampy ny mpiara-belona sy hanome hasina ny maha olona. Lalana afahana mahatratra ireo fanamby ireo ny handraisany ny andraikitra maha ben’ny Tanàna. Azo antoka fa tsy ho sakana amin’ny fanatanterahana izany ny mponina Antananarivo renivohitra satria efa resy lahatra ary matoky 100% an’i RINA. Porofon’izany ny fibosesehan’ny mponina tao Nanahazana nijery sy nitafa mivantana tamin’i Rina. Nitantara ny fahasahiranan’izy ireo sy ny hetahetany hanatsarana ny fotodrafitrasa fototra ilainy ny vahoaka. Mijoro ho vahaolana amin’ny faharatsiana na tsy fisian’ny fotodrafitrasa miteraka fahasahiranana amin’ny mponina i Rina. Ambenti-teniny ny hoe “tsy hifamitaka isika ka amin’ny vanimpotoana toy izao dia hampanantena zavatra maro kanefa tsy ho tanterahana akory”.

Mandritra ny fehimpotoam-piasana maha Ben’ny Tanàna no hiasana sy hanatanterahana ireo tetik’asa lehibe. Saingy misy kosa ireo vonjy rano vaky tsy azo ialana ka tsy maintsy andraisaina fepetra malaky satria iankinan’ny fiainam-bahoaka hoy i Rina ombieny ombieny. Tsy rano araraka an-damosin’ny kanakana ireo fitarainana sy fangatahana, fa havadika tetik’asa ho soa ho an’ny mpiarabelona, i Rina rahateo mahalala tsara an’Antananarivo renivohitra satria voatetiny avokoa ny toerana rehetra tsy nahalalana halaviran-tany. Na antampon-kavoana na an-dohasaha, na tanaty fotaka dia efa nodiaviny sy nojereny ifotony avokoa nahalalany ny fiarahamonina sy ny tontolo iainan’ny sarambabem-bahoaka.

Manoloana ny haitrano nahamay ny trano fonenan’ireo ankohonana maherin’ny 30 tao amin’ny fokontany IVO Antohomadinika 67 ha Boriboritany voalohany, tonga nankahery sy nivatsy fanampiana ho azy ireo i Rina. Fanampiana tsy mahavita taona akory fa nentina nanamaivanana ny fahasahiranan’ireo traboina, ka ireo filana fototra no natolotra azy ireo; dia ny vary izay foto-tsakafo, ny menaka ary ny koveta. Teny Soavimasoandro boriboritany faha-V, no namaranan’ny kandidà Rina ny fitetezam-baravarana tao anatin’ny vanimpotoana mialohan’ny fampielezankevitra omaly. Niraradraraka ny tsodrano avy amin’ireo ray amandreny.

Fa ho fisantarana ny fampielezan-kevitra dia fotoampivavahana iraisam-pinoana etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no hiarahan’i Rina RANDRIAMASINORO amin’ireo mpanohana azy anio talata, izay hanasany ireo olom-pirenena tsy ankanavaka liana sy te hahafantatra ny programan’asany. Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ka hanohana tsy misy fepetra an’i Rina ny fikambanana Ambalambahoaka.