INONA NO VAOVAO ?

Inona no vaovao ry havana mpamboly vary?
– Tsy ho ela dia ho tonga eto amintsika ny mosary.
Efa tsy hitoetra intsony ilay fiteny teto an-dasy
Hoe “ny vary, vary ihany” izay no an-dRamalagasy!
Hototofana, hono, mantsy iretsy tanimbary maro,
Fa ny tarik’i boaikely toa minia tsy mahatsiaro
Ny hafatrafatr’olon-kendry dia Andrianampoinimerina
Ka ankehitriny izany dia ezahiny toherina!

Inona no vaovao ry namana mpanao gazety?
– Tsisy zavatra manjary, tsisy zavatra mba mety.
Sazy vola, fandrahonana, ary angamba ho famonjàna
Ho an’izay mikiribiby manakiana fitondrana!
Sary kely mba nalaina, saika nahitana loza.
(Hay tsy mahatanty kiana iretsy tariky ny foza!)

Inona no vaovao rankizy niatri-panadinana?
– Tsy manjaka eto amintsika izany hoe fahamarinana.
Laza adina mivoaka mialohan’ny fotoana,
Aiza re ny tohin’iny f’aza modimody moana !
Ianareo mpitondra manko, kevoka fa hoe “milay”
Fa dia ny mpianatra hatrany no lazaina ho tsy mahay!

Inona no vaovao ry mponina eto an-drenivohitra?
– Sotasota hatrany hatrany no mahazo ny mpanohitra.
Indreo ny fako fa miavosa sady iniana tsy alàna,
Hiely indray ny fofon-dratsy hanamaimbo ny tanàna.
Ny orinasa izay mpitaona, asa ihany izay andrasany.
‘Zao i Neny no lazaina fa tsy mahavita ny asany.
Dia izany foana hatrany, misy fomba sadasada
Hanakanana an’i Neny sy hanafaizana an’i Dada.
Izany ihany, izany hatrany mialoha ny fifidianana.
Mihorohoro iretsy ankilany ka manao izay haminganana!

Inona no vaovao, ry bandy akama, ry saofera?
– tena tsisy indray ny solika ka ity vao tena “orera” !
Toa ampoizina sahady fa hisondrotra ny vidiny,
Ary ireo vahoaka hatrany no hivesatra ny ngidiny,
Fa ny fitondrana kosa, hiala bala mora ihany
Hoe tsy avy aminy mihitsy ny antony nampisy izany!

DADAN’i ZINA ( 22-10-19)