Fanendrena governora : fanitsakitsahana ny lalàna fototra no ataon’ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Maha be resaka, tsy eo anivon’ny mpisehatra ara- politika ihany, fa na ny olompirenena tsotra tsy mahalala izay atsimo sy avaratra momba izay voarakitry ny Lalàmpanorenana aza dia tena mba mahatsiaro ho sahiran-tsaina ihany momba ny raharaha politika iainana amin’izao fotoana izao.

Ho an’izay mahatadidy dia fito ambinifolo taona lasa izay no nisy toe-draharaha politika misafotofoto toy izao raha eo amin’ny sehatra fitsinjaram-pahefana no asian-teny. Ny taona 2002 no nahenoana izany “governora” izany teto Madagasikara kanefa tsy voarakitra tao anaty Lalàmpanorenana izany. Nipetrapetraka tsara ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana niainga avy any amin’ny rafitra fototra Fokontany, nandalo ny Firaisam-pokontany, Fivondronam-pokontany ary ny faratampony dia ny Faritany. Nofidiana avokoa ny mpitantanana ireo rafitra ireo. Resaka fifidianana filoham-pirenena no niandohan’ny disadisa ary toa fifandrifian-javatra fa tao anatin’izany ny filoha Ravalomanana Marc. Niaro ny safidiny ny vahoaka tamin’izany ka tsy nanaiky ny voka-pifidianana nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’izany fotoana izany. Tsy nanam-potoana nanoloana ireo filohan’ny rafitra isan’ambaratonga ny Amiraly Ratsiraka Didier, ka ny teo amin’ireo faritany enina izay nambara fa “mizaka tena” no nanendreny governora. Fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana no nisy tamin’izany fotoana izany. Niezahana ny nahafay rano ny faritany Antananarivo satria teto no tena nahery ny fanoherana ny voka-pifidianana ka izany no nahatonga ny fisakanana nisy tany amin’ny tetezan’i Brickaville sy Namorona ary Fatihita.

Raha vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ihany no resahina dia efa tamin’ny tetezamita no nosoloina fotsiny izao ny filohan’ny Fokontany izay voafidim-bahoaka. Rehefa lany ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika IV, ny volana septambra 2010, dia tsy rafitra fototra intsony ny Fokontany ka olom-boatendry avokoa no lasa “Sefom-pokontany” raha filoham-pokontany no niantsoana azy tany aloha. Araka izany dia ny Kaominina (Firaisam-pokontany taloha) no lasa rafitra fototra ka ny ben’ny tanàna no fidian’ny vahoaka. Tsy tafiditra tao amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana intsony ny Fivondronam-pokontany izay “Distrika” amin’izao fotoana izao, ka mitondra ny satan’ny fanapariaham-pahefana (déconcentration). Ny Faritra izany no rafitra itsinjaram-pahefana eo ambonin’ny Kaominina ka araka ny lalàmpanorenana dia olomboafidy no tsy maintsy filohan’ny Faritra. Tsy izany no zava-misy amin’izao fotoana izao dia ny filan-kevitry ny minisitra no manendry ny lehiben’ny Faritra toy ireny fanendrena mpiasam-panjakana ambony ireny, izany hoe toy ny fanapariaham-pahefana (déconcentration) izany ny Faritra fa tsy anisan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana (décentralisation).

Midika izany fa tsy mihàtra eto amin’ity Firenena ity izany “fitsinjaram-pahefana tena izy” (décentralisation effective) izany. Fanitsakitsahana ny lalàna fototra, ny Lalàmpanorenana, tsotra izao no ataon’ny fitondrana Rajoelina Andry. Ny tena mahavariana dia tena fanina tokoa, angamba, ireo kaomisera sivy mianadahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ka tsy sahy mamoaka didy na maneho hevitra (avis) momba izao fahasahiana tsy roa aman-tany ataon’ny fitondrana izao. Zary lasa kilalaon-jaza ny fitantanana ny Firenena satria tsy misy arofanina entina mamerina amin’ny làlana tokony hizorany intsony ny manam-pahefana ka manampatra izany araka izay mahafinaritra azy. Ny mahavariana ihany koa dia toa any amin’ireo faritra be mpifidy sy nahazoan-dRajoelina Andry vato betsaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena no notendrena ny lehiben’ny faritra fa ny ambiny dia miandry.

Efa akaiky tokoa ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ka azo inoana fa hanomana izany no nanendrena ireo lehiben’ny Faritra ireo maimaika. Tokony ho an-tsaina mandrakariva anefa fa mety manaiky ny tsy rariny in-dray mandeha ny olompirenena fa hijinja izay hafafiny indray ny mpanao taingim-bozona ny manaraka koa “mahaiza manetsa Ravaly, fa hafa ny anio sy ny omaly”.