EDITO 17 Oktobra – Raharaha Ambohitrimanjaka – Fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny maha-olona

Radafy

Tsy mbola hita soritra resy tosika ny fahantrana eto Madagasikara amin’izao fotoana maha eo amin’ny fitondrana an-dRajoelina izao. Tsy misy fivoarany hatreto ny lafiny maha olona, fa nihemotra aza raha miohatra ny tamin’ny taon-dasa. Voalaza fa any amin’ny laharana faha-161 amin’ny firenena 189 i Madagasikara raha tany amin’ny laharana faha-158 tamin’ny taon-dasa. Tondro iray itarafana ny tsy fandrosoan’ny firenena io ary tsy misy iadian-kevitra. Ny tarehi-marika sy ny antontan’isa samihafa maneho izany dia ahatarafana izany avokoa.

Nambara fa eo amin’ny 5% eo ny taha-pitomboan’ny toekarena tamin’ity taona ity. Tsy hita soritra ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro. Mbola mitoetra hatrany ny 92% amin’ny Malagasy izay tsy mahazo 2 dolara akory, izay endrika maneho mazava ny fahantran’ny vahoaka eto Madagasikara. Tsy hahatratra ny 6% akory izany taha-pitomboana ara-toekarena izany amin’ny taona ho avy fa mbola latsaka hanodidina ny 5% mahery. Ny vahoaka ihany koa anefa etsy andanin’izany miha- mihazakazaka ny fitombony. Midika izany, fa ny eo ihany no eo, tsy hisy fihatsarany ny fampivoarana ny lafiny maha olona, na ny fiainam-bahoaka andavanandro. Izany hoe mbola ho lavitr’ezaka ny handresena ny fahantrana eto Madagasikara.

Manampy trotraka ny fahantrana efa mby an-koditry ny vahoaka Malagasy, ny fitombon’ireo tanora miditra eo amin’ny tsenan’asa isan-taona manampy isa ireo efa aman-tapitrisany tsy manana asa sy niaina izany ihany koa efa aman-taonany maro indrindra tato anatin’ny 10 taona farany. Tsy nahita vahaolana tamin’ny fampananan’asa azy ireo ny fitondrana Rajoelina, kanefa tena andraikiny izany. Nandrava orinasa sy nanafoana asa marobe aman’hetsiny izy sy ireo niara-dia taminy tamin’ny taona 2009-2010 tao anaty fanonganam-panjakana nataony. Io hetraketraka nataon’izy ireo io no rangory fototry ny fikorosofahan’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy aman-tapitrisany noho ny tsy fananana asa sy fivelomana tsara intsony. Varavarana nidanadana ho azy ireo tamin’izay fotoana izay mandraka ankehitriny ny fahantrana, ary latsaka lalina ao anatin’ny mangitsonkitsoka ao anatin’izany izy ireo.

Inona no vahaolana nentin’ny fitondrana Rajoelina iadiana amin’ny fahantrana? Hatreto na nambarany aza fa misy ny programany amin’izany dia karazany fampanantenana poak’aty ihany ho an’ny maro. Iaraha-mahita ny zava-misy iainan’ny vahoaka isan’andro. Ireo vitsy an’isa mpanefoefo manontany ny ory teratany sy vahiny no miadam-pinaritra eto migoka ny haren’ny firenena. Ny vahoaka maro an’isa, giazan’ny fahantrana sy rotehiny, izay toy ny “valala an-karona” tokoa, mbola maizina ny hoaviny. Tsy mbola ho amin’ny taona ho avy no hisian’ny tsilom-panantenana hahatsara ny fiainany. Jereo ity manjo ny mponina eny Ambohitrimanjaka ity… Ny maha- olona azy ireo mihitsy no potehin’ny fitondrana ary izany dia ao anatin’ny fanitsakitsahan’izy ireo zon’olombelona ihany koa, zon’ireo vahoaka ireo no hiaina eo amin’ny tany izay efa najariany hatramin’izay, fa tsy ho roahina hiala eo izy ireo ka halefa any amin’ny toerana tsy mbola fantatra, na eto Madagasikara ihany aza. Zon’ny olona no misafidy ny toerana ivelomany fa tsy atao amboletra fotsiny izy ireo,…