Rina N°2 Antananarivo – Teknisiana voasedra manana fahaiza-manao hitondra tanàna

Stefa

Teknisiana voasedra manana ny fahaizamanao amin’ny fitantanana an’Antananrivo renivohitra i Rina. Manaporofo izany ny famafany ny trosa nifandovan’ny mpitantana ny tanàna teo aloha nandritra ny naha Talen’ny fitantanambola azy tao amin’ny CUA, teo ihany koa ny fandoavana tsy nisy fahatarana ny karaman’ny mpiasa maherin’ny telo arivo, ka tsy nahenoana fitarainana na indray mandeha aza. Anisan’ny nitondrany ny fahaiza-manaony ihany koa ny fandaminana ny tanàna sy fanalalahana ny fifamoivozana izay mbola mitohy hatramin’izao, na dia efa nametra-pialana tsy ho sekretera jeneralin’ny CUA aza izy noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna. Olom-pirenena toa an’i Rina no mendrika hitantana ny tanàna fa tsy avelan-tsika mponin’Antananarivo ho viravirain’ny olona tia andrakandrana sy tsy mahalala akory ny maha ory ny vahoaka ny renivohitra.

Anisan’ireo tetik’asa ho tanterahan’i Rina rehefa lany Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny fandaminana ny eny amin’ny Gare routière Fasankarana: ho jerena manokana ny lafiny fanadiovana sy fidiovana sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fototra ilain’ny vahoaka nefa mampitaraina azy ireo: toy ny lakan-drano fivarinan’ny rano maloto sy ny fampitomboana isa ny fotodrafitrasa toy ny “bassin” fanasan-damba; ny “Borne fontaine” sy ny “douche” ary “WC publique”.

Amin’ny fanatevenana ny fahaiza-manaony izay, mbola lasa any Frantsa sy Etazonia amin’izao fotoana i Rina, mifanakalo traikefa amin’ireo mpitantana tanàna any amin’ireo firenen-dehibe roa ireo ary mazava ho azy hampihariny ho an’ny Renivohitr’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy ny traikefa ho azony any.