Fiainana antoko – Lotoina vao mainka madio Ravalo sy ny TIM

Rajaonarimpanontsana

Manao izay tetika maloto rehetra hampandaniana ny kandidany ny IRD na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana , eny hatramin’ny fanomanana hala-bato aza. Araka ny re izao dia miketrika ny hampandresena ny kandidà Naina Andriantsitohaina 51% mahery ny fitondrana sy ireo mpikarakara fifidianana, eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mila mailo noho izany ny rehetra.

Ankoatra izany, amin’izao fotoana izao aloha dia ny sehatry ny serasera no amoahana fanaratsiana ny antoko TIM tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana. Ompa sisa no tsy ataon’ny mpomba ny fitondrana mahakasika an’i Dada: na an-gazety, na amin’ny fahitalavitra, fa indrindra amin’ny onjapeo, saingy tokony tsy ho hadinoin’ireo mpanenjika be fahatany fa arakaraka ny hanenjehana azy, vao mainka miha-mahazo hery ny antoko TIM sy ny filoha Marc Ravalomanana.

Raha tarafina amin’ny saina tsy miangatra dia mbola manana olom-boafidy isan-tsokajiny ny Tiako i Madagasikara ary heverina fa handrombaka ihany koa ny toeran’ny Ben’ny tanàna eto an-drenivohitra. Io no atahoran’ny IRD, ka dia aleony haratsiana mba tsy hahalany ny kandida TIM tarihan’i Rina Randriamasinoro, izay tanora dia tanora erotrerony, manam-pahaizana sady efa manana traikefa raha ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo satria efa tale ara-bola, efa Sekretera Jeneralin’ny Kaominina ny tenany ary mahafantatra tsara ny tontolon’ny asa eo anivon’izany Lapan’ny tanàna izany.

Niniana nopotehan’ny mpanongam-panjakana tarihan’i Andry Rajoelina moa ny fananan’ny filoha Ravalomanana, norobaina tanteraka ary voatery nanao sesitany ny tenany tany Afrika Atsimo, noho ny fitsinjovana ny firenena. Mirehareha fatratra ireto mpanaty ran-kena sy mpisolelaka fa hanjavona niaraka tamin’ny fananana nodorany ity lehiben’antoko TIM ity. Inona no zava-misy ankehitriny: tafarina indray ilay orin’asa nanasoa vahoaka nopotehin’ny TGV sy ny forongony. Nahazo hery indray ny antoko TIM ary isan’ny antoko matanjaka eto amin’ny firenena raha miohatra amin’ny hafa, noho ny fitahian’Andriamanitra.

Misy mihevitra fa hanjavona ny filoha Ravalomanana eo amin’ny sehatra politika, aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna atsy ho atsy. Diso paika angamba ireo mihevitra izany fa na inona na inona ataon’ireo milaza ho tompon’ny fahefana ankehitriny dia vao mainka mamporisika ny filoha Marc Ravalomanana hiditra lalina amin’ny sehatra politika ireny fanenjehana ireny sady mampitombo ny fankamamian’ny vahoaka malagasy azy ihany koa tamin’ny zava-bitany fony naha filoham-pirenena azy.

Fomba fiteny iray izay ny hoe: ny mpanenjika any aoriana foana fa tsy eo anoloana. Midika izany fa matoa enjehina mafy ny filoha Ravalomanana dia any aloha hatrany ny tenany. Ny IRD mpanenjika any aoriana , na manenjika aloka angamba, na manao « biby mi-tourne ».