Fiainam-pirenena – Mety hipoaka tsy ho ela ny sarom-bilany

Rajaonarimpanontsana

Ahiana hipoaka tsy ho ela ny sarombilany amin’ireto fitokonana maro samihafa mitranga, toy ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, na SECES, izay nanome 15 andro ny fitondrana hamaliana ny fitakiany. Eo koa ny tsy faneken’ny mponin’Ambohitrimanjaka sy ny Kaominina manodidina amin’ny fanaovan’ny fitondran-dRajoelina amboletra hanotofana ny tany miaraka amin’ny tanimbary fiveloman’ny olona. Tsy hanaiky mihitsy ireo vahoaka ireo na dia hisy faty olona aza, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Ho avy tsy ho ela koa ny eo anivon’ny fampianarana ambaratonga faharoa na ny tontolon’ny Fanabeazana iray manontolo, amin’ireo fitakiana tsy nahitam-baliny hatrizay. Mikorontana tanteraka ny fanaovana fanadinana isan-tsokajiny. Manangam-bovona ireo karazana Sendika isan-tsokajiny. Efa miomana ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana izay mbola manana vela amin’ny fitondram-panjakana. Ny resaka famatsian-drano moa dia ireny nivoaka an-gazety sy fahitalavitra ireny ny hatezeran’ny mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina satria ampijaliana rano ny vahoaka, ka tsy omena raha tsy amin’ny misasakalina hatramin’ny 6 ora maraina, zara raha misy mitete koa anefa izany. Ny faritra sasany eto Antananarivo, efa am-bolana maro no tsy voavatsy rano na dia indray mitete aza. Ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina andavanandro (PPN) toy ny vary, ny menaka, siramamy, atody, lafarinina … eny hatramin’ny saribao tsy lazaina intsony. Ny hena moa dia efa tsy takatry ny ankamaroan’ny mponina intsony ary zara raha mihinana kely indray mandeha isam-bolana, rehefa mba misy lanonana toy ny famadihana, na fanambadiana dia amin’ireny no manararaotra mihinan-kena. Midangana izay tsy izy ny fanafody, ka raha sendra tojo tsy fahasalamana dia eny amin’ny mpivarotra nentim-paharazana sisa no aleha. Iniana tsy esorin’ny SAMVA tantanin’ny fanjakana ny fako eny amin’ny dabam-pako mba hilazana fa maloto Antananarivo, entina hanamarinana fa ny Kaominina an-drenivohitra no tsy manao ny asany. Kajikajy politika no ao ambadik’io.

Mitarika fahasorenan’ny mponina avokoa ireo voatanisa rehetra ireo raha tsy hiteny hafa tsy ireo isika. Betsaka ny tsy manjary ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana izao ary alaim-panahy ny mpanara-baovao manao hoe: atao fairano ve ny mponina Antananarivo?

Ny filoha Rajoelina, hono, no mitady vahaolana koa dia tohizo ary ny lalana Andrimatoa filoha, fa ho tratran’ny vomanga nasesiky ny tananao eo ihany ianao.