Tanà-Masoandro: mety hanohitra ny olona hafindra any koa ny mponin’i Bevoay

Andry Tsiavalona

Maizina tanteraka ny voarakitry ny IEM noketrehan’ny filohan’ny Repoblika IV, Rajoelina Andry Nirina, satria nofintinina ao anatin’ilay “velirano13” indray angamba, zary lasa vonjy tavanandro fotsiny sisa, ka isaky ny misy fanoherana mivaivay ny tetikasa dia mikorontana tsy misy lohany sy vodiny intsony.

Tsy misy afaka mandà kosa anefa fa mahay mampandry adrisa Rajoelina Andry Nirina, ka sodokan’ny firentirentin’ny fampanantenana ny valala tsy mandady harona. Raha mijoro tokoa ny trano mijoalajoala sy ny làlambe midadasika dia ho finaritra ny maso hijery izany. Rehefa miditra banky iray eto an-drenivohitra, ho an’izay manana kaonty ao dia ho variana mahita ny sarin’Antananarivo amin’ny volana mey 2025, izany hoe afaka dimy taona mahery kely eo. Asa aloha raha tafiditra ao amin’ilay IEM, na ilay vina13 ilay sary mipetaka ao amin’ity banky ity. Raha ho tanteraka tokoa ny voarakitr’izany sary izany dia mampanontany tena hoe aiza daholo izany no hafindra ireo mponina ao amin’io faritra io, Isoraka sy Ambatonilita raha araka ny fahitàna azy. Ny tetikasa Tanà- Masoandro kosa aloha raha eny Soamandrakizay no hanorenana ireo trano goavana sy làlana migodàna dia tsy ho hitan’ny vahiny avy any ivelany tonga eto, fa raha eny amin’ny lemak’i Betsimitatatra kosa dia hahazo doka ny mpitondra satria ho taratry ny fandrosoana tokoa, angamba izany.

Araka ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika ihany dia hafindra any Bevoay, hono, ny mponina eny amin’ny faritr’Ambohitrimanjaka iny ary homena tambiny ireo tompon’ny tanimbary ho totofana sy ny tanimbolin’ny tany fambolena haravona. Vitsy ny olompirenena no mahafantatra ny misy izany Bevoay izany. Any amin’ny faritra avaratry ny Faritanin’i Toliara no misy an’ity tanàna ity. Navaozina ny tohodrano sy ny lakan-drano manondraka ireo tanimbary ao. Midadasika tokoa ny toerana ary anisan’ny faritra mamokatra vary betsaka tokoa. Tsy fantatra aloha hatreto na ho sodokan’ny mena miraviravy ireo tantsaha eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina, fa raha ny fahitana azy dia tsy nodinihana lalina ny tontolon’ny manodidina izany famindran-toerana izany. Misisika mafy dia mafy ary tsy miraharaha izay fanoherana ataon’ny mponina Rajoelina Andry Nirina satria dia efa nandefa mpitandro ny filaminana teny Ambohitrimanjaka ny faran’ny herinandro teo nanapempo sy nampitahotra ireo mpanohitra ny tetikasa.

Azo antoka fa tsy hanaiky ny hifindran’ireo tantsaha avy eny Ambohitrimanjaka velively ny mponina any Bevoay satria ho zaraina amin’ny mpiavy indray izany ny tany famboleny. Asa anefa raha homena tambiny koa izy ireo kanefa tsy hahatsentsina izay voka-dratsy haterak’izany izay mety ho azony. Azo antoka koa fa tsy mbola nisy fanentanana na fanadihadiana ara-tsosialy sy toekarena (enquête socio-économique) tany an-toerana hahazoana manombana na azo tanterahina ny famindràna na tsia, fa dia nalefa fa ho any fa ho any aloha ny resaka dia ho hita eo indray. Ahoana ny trano hivantanan’ireo hafindra monina sa efa nanorina trano, ao anatin’ireo an’hetsiny hatsangana, ho azy ireo ny mpitondra. Efa ao anatin’ny “velirano” angaha ny ho fandaniana momba ny fitaterana ireto hafindra monina ireto, sa dia izay tambiny homena azy ireo no hangalàna izany? Ahoana ihany koa ny momba ny fianaran’ireo ankizy zanaky ny tantsaha eny Ambohitrimanjaka ireo, sa rehefa tonga any izy ireo dia araka ilay fitenenana hoe: “rehefa any mahita izy”.

Araka izany dia tsy miraharaha izay sosialim-bahoaka mihitsy izao fitondrana izao, fa jamban’ny voninahitry ny tenany sy izay ampahany hiditra any am-paosiny satria na tiana na tsy tiana dia “bizina” no azo hamaritana izao tery vay manta ataon’ny fitondrana Rajoelina Andry Nirina izao. Hahazo vahana sy homena tany hanorenany trano indray ny vahiny, fa hasaina hifandramatra hiady tanimbary kosa ny samy Malagasy. Hibaliaka ny “masoandro” ho an’ny mpitondra fa ho “maizinkitroka” ny ho avin’izay hafindra monina any amin’ny tany tsy fantatra. Santatra ambava-rano ihany izao fa ny manetsabe mbola ho avy, ka rehefa finaritra ny maso dia ho voky ho azy ny kibo.