EDITO 8 Oktobra – Havaozina hono ny fonja – Tsy tokony hisy ny tombo sy hala amin’ireo olona hosamborina

Nohamafisin’Ingahy Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fandaharana manokana niarahany tamin’ireo mpanao gazetiny, ny alin’ny alahady 6 Oktobra 2019 teo, tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny nambarany tany Fianarantsoa, fa havaozina ny fonja eto amintsika ary hisy ny fotoam-pitsarana manokana hatao hijerena ireo izay tsy tokony ho tazonina any am-ponja intsony, ka ireo izay nahavita heloka bevava toy ny nahafaty olona sy nanodinkodina ny volampanjakana sisa no mijanona any am-ponja.

Tsy ratsy ilay hevitra raha toa ka mandeha amin’ny fahitsiana sy tsy misy tombo sy hala ny fampiharana azy, saingy tsy mampino raha ny fahitana ny fomba fiasan’ny mpitondra ankehitriny, satria ireo nambara fa trondro vaventy nosamborina tamin’izao fitondrana izao dia ireo olona akaiky ny fitondrana Rajaonarimampianina, izany akory tsy milaza hoe tsy nahavita heloka ireo voasambotra ireo, fa hita ihany koa ilay halako bika tsy tiako tarehy.

Fa mbola be dia be ireo tokony hosamborina fa nahavita zava-doza teto amin’ny firenena indrindra fa tamin’ireny fotoanan’ny tetezamita ireny, tsy mbola misy resaka ny zava-nitranga ny 26 Janoary 2009 nandorana ny RNM sy TVM, izay vako-pirenena sy nandroba ireo fananan’olon-tsotra, ny fitondrana vahoaka nanani-dapa tamin’ny 07 Febroary 2009, izay namoizana aina malagasy maro, ny Filoha Ravalomanana no nambaran’ny mpitondra tetezamita fa tompon’antoka tamin’ireny, efa nisy mihitsy aza ny didy navoaka nanameloka azy ary ny Sekreterampanjakana miadidy ny Zandarimaria amin’izao fotoana izao dia efa sahy nilaza tamin’ny fotoanan’ny tetezamita, fa ho any Afrika Atsimo hono izy hisambotra ny Filoha Ravalomanana, izao efa eto i Dada, maninona no tsy atao ny fitsarana?

Ny mampalahelo ihany koa momba iny raharaha 07 Febroary 2009 iny dia ny fahafatesan’ilay mpaka sarin’ny RTA teny Antaninarenina, tsy nisy tohiny satria na ny mpampiasa azy aza tsy nitory matoa tsy nandrenesam-peo hatramin’izao.

Be dia be ireo raharaha maloto tsy mbola mazava tamin’ny fitondrana tetezamita, saingy tsy asiana resaka intsony ankehitriny, toy ny andramena tratra tany amin’ny Nosy Maorisy , Kaomoro; Singapour, Shina, ny nahafaty an’i Nadine Ramaroson izay mbola manjavozavo, ny fivarotana tany tamin’ny vahiny, ny fahaverezan’ny satro-boninahitrin’ny mpanjakavavy sy ireo maro hafa tsy tambo ho isaina, ny goavana indrindra dia ny mikasika ny fanonganampanjakana sy ny resaka hosoka tamin’ny fifidianana izay tsy tokony ho hadinoina.

Mendri-piderana ny ezaka kasain’ny fitondrana vonona hanavao ny fonja manerana ny nosy, ka ny andrandraina fatratra amin’ny fitondrana dia ny hitsarana ireo tena nahavanondoza voalaza tetsy aloha, koa manantena ny vahoaka malagasy tia fandrosoana sy mandala fahamarinana fa hiasa ankalalahana ny fitsarana izay efa hambara lava fa manana ny fahaleovantenany, ka hibaribary ny fampiharana ny maha tan-dalàna ny firenentsika amin’ny alalan’ny fisamborana ireny olona namoa-doza sy ny fampiakarana azy ireny fitsarana, ka izy ireny no hisantatra ilay fonja vaovao manara-penitra.

Ny Valosoa