Fanendrena governora – fanolanana ny lalampanorenana

Sôh’son

Miharihary, fa fanaon’ny fitondrana Rajoelina rehefa miakatra ny hafanan’ny feo amin’ny fanoherana ny politika tiany atao, na efa ampihariny, dia mikaroka toerana andehanana na sehatra iray ivelan’ny lapa izy no mamaly azy ireny. Anisan’izany ny momba ny governora izay nanaovana fanendrena tamin’ny herinandro lasa ary niteraka resabe tokoa teto amin’ny firenena indrindra teo amin’ireo mpandinika sy mpanara-maso ny fandehan’ny fiainam-pirenena. Ny ankamaroan’ny mpanao politika dia samy milaza fa fanitsakitsahana ny lalampanorenana, na fanolanana ny lalampanorenana mihitsy izao nataon’ny fitondrana izao tamin’ny fanendrena governoram-paritra ireny. Niezaka niaro tena ny filohan’ny repoblika, ary notsindriany fa vonjimaika ihany ny fanendrena azy ireo na ny anarany. Ho an’ny mpahay lalàna anefa dia tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana io fanendrena governora io ary tena fanolanana ny lalampanorenana mihitsy araka ny efa voalaza teo. Adihevitra mbola mitohy ny amin’io ny fahitana ny raharaha na dia niaraha-naheno aza ny fiarovan-tenan’ny fitondrana.

Ankoatra ny zoro hafa mahabe adihevitra sy resabe eny anivom-piaraha-monina eny momba izany, dia mahasavolaina ihany indrindra ho an’ny olom-pirenena tia tanindrazana marina, raha mitodika na mahatsiaro ny tantara, ny mandre io anarana « governora » io. Vao miresaka izany, dia mby ao –tsaina ny fanjanahantany izay vao ny anarana fotsiny fa tsy ilay olona akory aza, dia famoretana no ambadik’izany. « Ragôva », anarana fanindriana ny vahoaka hanaiky ba fahatany na dia tsy eken’ny sainy akory aza ; fanaovana tian-kano tsy tian-kano sy didiko mpifehy lehibe izany. Namela dindo ratsy teo amin’ny tantaran’ny firenena izany « Ragôva » izany raha fintinina. Mbola nanampy trotraka ny naharatsy laza ny anarana nasalotra olom-panjakana voatendry io, ny tamin’ny taona nandalovan’ny firenena tao anaty krizy politika lalina ihany koa tany amin’ny taona 2002. Ireo olona nosalorana ny anarana governora mantsy, dia nanao izay niarovana ny fitondrana nanendry azy, ka nanao ny tsy fanao. Anisan’ny ny endrika fampisaraham-bazana ny samy Malagasy tamin’izany fotoana izany izay tena fahotana mahafaty sy azo lazaina ho “haute trahison” atao amin’ny firenena mihitsy. Fampiraisan-kina ny vahoaka no tokony hataon’ny olom-panjakana voatendry raha tena hijery tombontsoam-bahoaka sy hanasoa sy hampandroso marina ity firenena mahantra ity. Raha hanarina ny firenena sy hanala azy ao anaty fatotra sy geja, sy hanasoa ny vahoaka tsy ankanavaka ary hiezaka ny hampiray hina azy dia mila fantenana ihany ny anarana asalotra ny olom-panjakana ary mila mahay ny tantaran’ny firenena amin’ny antsipiriany izay rehetra tomponandraiki-panjakana, fa tsy anaonao foana toy izao natao izao, satria samihafa mihitsy izany hoe governoram-paritra sy lehiben’ny faritra izany, efa nambarantsika teo amin’ity gazety ity, fa ny hoe Rakoto, hafa ny Razefa, fa tsy teren-kitovy fotsiny toy izao ataon’ny fitondrana Rajoelina izao.