Fitantanam-pirenena : tara hatrany ny fandraisana andraikitra

Sôh’son

Andro vitsy sisa dia hivalona indray ity volana fahasivy ity ary volana telo sisa no hodiavina dia hifarana ny taona. Mifanila amin’izany, mivadibadika be ihany ny toetrandro tato ho ato ary mampandraiky manavy ireo rehetra marefo ara-pahasalamana. Mazava loatra fa ny vahoaka Malagasy no voakasik’izany. Toa manaraka izany koa anefa ny fitantanan-draharaha ara-politika eto amin’ny firenena ny fahitana azy. Milaza izany, ohatra, ny resaka fanendrena governora izay nambaran’ny mpahay lalàna fa tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana. Valalanina ambony ihany ny vahoaka eo anatrehan’izany, satria milaza ho tan-dalàna ny fitondrana ary izany no ampanjakaina eto amin’izao izy eo amin’ny toerana izao.

Rehefa niakatra ny maripana amin’ny tsikera momba ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ireo entana fanjifan’ny mponina andavanandro sy mahakasika tanteraka ny ati-vilaniny, izay vao mody mikoropaka ny tomponandraiki-panjakana. Izay vao mody mahita vahaolana maimaika. Tsy niomana ny amin’izany mantsy tany am-piandohana fa mbola variana amin’ny fanaovana kajikajy politika, ho amin’ny hamaharana ny toerana azo sy ireo mbola ho katsahina fatratra. Kajikajy politika izay mbola mitohy tsy mitsahatra. Ny fikendrena dia ny hahazoana 100% toy ny tao amin’ny antenimeram-pirenena Tsimbazaza. Politika marivo tototra io ary mora takatry ny maro. Rehefa jerena indray koa anefa ireo vahaolana hita sy kasaina ho ampiharina, dia mbola ho amin’ny ampahany amin’ny olam-bahoaka ihany no hovahana. Mbola manahirana mafy ny vahoaka maro an’isa, ohatra, ny resaka arina fandrehitra fandrahoan-kanina, izay mbola tena midangana ny vidiny. Ny vahaolana naroso hatreto dia tefy maika ihany, satria tsy mifanaraka amin’ny any anaty kitapom-bolan’ny isan-tokantrano Malagasy. Mety ho tsara angamba ilay vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana, kanefa hita tsotra izao fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainam-bahoaka. Izany hoe azo lazaina ho tsy mahalala marina ny tena fiainam-bahoaka ny fitondrana? Ary saika izay hatrany no tsikaritra amin’ny zavatra hita aroson’ny fitondrana.

Efa am-bolana maro no nikaikaika amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ny vahoaka, fa aty amin’ny fahasivin’ny volana vao mikoropaka mitady vahaolana ny fitondrana. Mbola misy aza sehatra tena ikimpian’ny fanjakana nefa olana mampijaly ny vahoaka. Anisan’izany, ohatra, ny fitateram-bahoaka, fa hatreto tsy hita izay vahaolana entina amin’izany, asa miandry inona? Sa rehefa misy toy ireny nataon’ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena ireny vao mikoropaka indray koa sy mitady vahaolana maimaika. Tsy atao ho mahagaga loatra aloha fa tsy maintsy izay ihany ny fandehany rehefa kajikajy politika hatrany no atao mibahan-toerana mialoha ny fitsinjovana izay hahasoa marina ny vahoaka.