Maroantsetra – Tsy azo atao intsony ny sexy-show

Ho entitra ny fitondrampanjakana any amin’ny distrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo, manoloana ny fikarakarana ireo hetsika aman-danonana mamoafady mifanohitra amin’ny rafi-piarahamonina sy ny kolontsaina maha-malagasy izay manomboka miha-mahazo vahana any an-toerana.

Efa nisy dingana natao toy ny fampijanonana ny fikarakarana hestika Sexy show, tao amin’ny toeram-pandihizana iray tany an-toerana.

Hisy ny fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny zaza tsy ampy taona amin’ireo haina amanjery any an-toerana ato ho ato ary hiafara amin’ny fanasaziana ho an’izay mbola mandika lalàna.

Stefa