Fifidianana 27 novambra – Antso avo atao amin’ny CENI – Bileta tokana – Ampitovio re ny laharan’ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina

Natao ny alatsinainy 23 septambra teo ny atsapaka ahafantarana ny laharan’ny kandidà ao anaty ny bileta tokana.

Ny didy hitsivolana tamin’ny 14 aogositra 2019 dia nanondro ny CENI ho mpanomana sy mpanatanteraka ny atsapaka amin’ny laharana izay ho omena ny kandidà ben’ny tanàna sy ny lisitry ny mpanolotsaina. Ny lalàna dia manipika fa misaraka ny fifidianana ben’ny tanàna sy fifidianana ny lisitry ny mpanolotsaina, izany hoe vata fandatsahambato roa samihafa no ampiasaina. Fa tsy milaza ny lalàna fa atsapaka roa samihafa ho an’ny fandatsahambato roa.

Raha amin’ny maha-olompirenena tsotra tonga hifidy dia mazava ho azy fa mora kokoa ny mahatadidy laharana iray rehefa tonga ny fotoana handatsahambato. Satria raha laharana samihafa dia hiteraka fisalasalàna ny hoe laharana faha-firy moa ary ho an’ny ben’ny tanàna ve sa ho an’ny mpanolotsaina ilay laharana.

Manana fahefana feno ny CENI hanapaka fa ho ampitoviana ny laharana amin’ny bileta tokona ho an’ny ben’ny tanàna sy ny ho an’ny lisitry ny mpanolotsaina. Ary misy antony mazava azon’ny olona rehetra an-tsaina.

Ny CENI dia efa nanaiky fa maro ny lesoka teo amin’ny fifidianana roa sosona lasa teo, dia ny fifidianana filohampirenena sy ny fifidianana solombavambahoaka. Nanaiky koa izy ity fa hanarina ny lesoka. Ka fotoana izao, mba hisorohana ny savorovoro ary mba hampizotra tsara ny fifidianana sy ialàna amin’ny fihiahiahiana, handrenesan’ny CENI ny antso avo mba hampitovy ny laharana ampiasaina ho an’ny kandidà ben’ny tanàna sy ny laharana izay ho ampiasaina amin’ny lisitry ny mpanolotsaina.

Ny Valosoa