Kaominina 900 – Filatsahana ben’ny tanàna – Ministeran’ny atitany no manome baiko

Henry Rakotomalala “Hafahafa ity fifidianana ity.”

Misy zavatra mampiahiahy amin’ny fomba fikarakarana fifidianana, hoy ny mpitarika ny MCFIE, Henry Rakotomalala.

900 isa mahery ny kaominina nolazaina fa tsy misy kandida, herinandro latsaka nialoha ny fikatonan’ny fandraisana ireo antontan-taratasim-pirotsahana kanefa tampoka teo dia 2 sisa no nolazaina fa tsy misy izany. Rehefa nanao fanadihadiana izahay eo anivon’ny MCFIE na ny hetsiky ny olompirenena miady amin’ny hosoka sy hala-bato dia nahita fa nomena baiko avy amin’ny minisiteran’ny atitany ny delegen’ny boriborintany rehetra any ambanivohitra hitady kandida atao ben’ny tanàna. Na koa ilay kandida ben’ny tanàna teo ihany no haverina harotsaka fa atao mahaleotena. Izany hoe kandidam-panjakana fa mahaleotena, hoy izy. Mampiahiahy koa ny famenoana dosie. Tena feno marina ve ny antontan-taratasin’ireo kandida amin’ny kaominina miisa 1695? Ireo olon’ny OVEC isaky ny distrika dia saika olom-panjakana. Hiandany amin’ny kandidam-panjakana ireo.

Efa tsy hala-bato intsony raha ny marina no mampiahiahy anay na dia izay ary no fomba fiteny satria tokana ireo kandida any amin’ny toerana ambanivohitra misy ny maro an’isa. Ny renivohi-paritany sy distrika ihany no mety misy kandida maromaro ka antony hilazanay fa hafahafa ity fifidianana ity. Eo koa ny fanovana ireo sefo fokontany mamofompofona TIM isaky ny boriborintany, toy ireo sefo fokontany miisa 5.

Maninona, hoy izy, no nesorina ny tale jeneralin’ny trano printy nasionaly. Anjaran’ny vahoaka no tonga saina ary izahay dia tsy hanaiky hatramin’ny farany raha mbola misy ny hala-bato, hoy hatrany izy.

J. Mirija

Gazety Tia Tanindrazana