NY MPAMAFY FIADANANA SY NY MPAMAFY TADIO

Ilay vahiny dia voatonona ho mpamafy fiadanana,
F’ianareo mpamafy inona mialoha ny fifidianana?
Moa dia tena mbola hijanona ho mpamafy lainga foana,
Sa mba hisy fiovana fa mandroso ny fotoana ?

Falifaly ery ‘nareo fa toy ny niombon-daza taminy,
Tamin’ny hafatra nataony sy karazan-teny maminy.
Saingy ireny teny ireny ve hanova ny mpitondra,
Sa tsy hisy fiovana fa hitohy ny lohan’ampondra?

Raha hijanona ho mpamafy rivotra ary koa tadio,
Ka tsy hijery ny ampitso fa voafatotry ny anio,
Dia mahatsara ny mangina, mety ny manampim-bava.
‘Ndeha aloha mandini-tena ry mpanimba sy mpandrava !

Aoka izay ny fomba ratsy f’aza tia mampanantena.
(Ny nataonareo omaly, nampietry firenena !)
Aza tia manilikilika fa meteza hanolo-tanana,
Amin’izay ‘nareo vao ho isan’ny mpamafy fiadanana!.

DADAN’i ZINA (19-9-19)