EDITO 19 Septambra – Fivoaram-piainana, volan-kankafotra hatreto

Sôh’son

Ampangain’ny toetrandro ny harefon’ny vahoaka Malagasy, indrindra ety afovoan-tany, eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Vao miditra amin’ny vanim-potoana iray na elanelana vanim-potoana dia sahirana ny maro amin’ny fahasalamany. Ankoatra ny fanjifana fanafody etsy sy eroa dia maro no manatona mpitsabo araka ny fanadihadiana samihafa. Marefo ara-pahasalamana ny vahoaka ary miara-dalana eo ihany koa no sady antony ny tsy fahatomombanan’ny sakafo hohaniny. Ankavitsiana ny Malagasy no mihoatra ny 2400 kaloria isan’andro ny otrikaina amin’ny sakafo hohaniny, fa ny ankamaroan’ny maro, ny 90% mahery dia latsak’izay avokoa. Zara raha misakafo ara-pahasalamana ny vahoaka, fa mihinana fotsiny mba ho velona isan’andro sy miaina toy ny rehetra.

Mifamatotra amin’ireo, mazava loatra, ny vola karama fivelomany izay ambany tokoa. Ny 90% ny Malagasy dia mandray karama, na vola miditra aminy isan’andro, latsaky ny 2 dolara. Tsy hilaza na hampitaha izany amin’ny any ivelany isika eto aloha mba tsy handona ny any anaty noho ny elanelana be lavitra loatra, fa antony iray lehibe miteraka ireo olana manjo ny isam-batan’olona ireo io karama fivelomana io. Andrasana ihany koa fanampin’izany ny fanadihadiana amin’ny tahan’ny fahatezana amin’ny fiainana ho amin’ny taona lasa teo, fa ny hatramin’izay dia mbola ambany mitovy amin’ny an’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany.

Mifamatopatotra avokoa ireo rehetra ireo sy ny sehatra hafa mifandraika aminy, izay maneho indrindra, aiza ho aiza no misy ny firenena amin’izao tapaky ny enimbolana faharoa izao. Toa efa mihilana ny masoandron’ny fanantenana ankehitriny ho an’ny maro nanakimpo tamin’izao fitondrana izao, fa kiry sisa no masahina. Ho an’ny mpahalala sy mpandinika kosa dia efa naminavina ihany ny hitranga sy ny ho fandehany ary tsy mivaona mihitsy aloha izany hatreto. Milaza ny hanao “fahagagana” mihitsy ity fitondrana ity raha ny filazany sy ny fiaingàny tany am-piandohana. Volan-kankafotra ihany izany aloha hatreto ho an’ny maro. Zary toa nisy mpandimby ny fitondrana teo alohany, fa ny endriny fotsiny no miova.