Raharaha helikôptera – Ny alakamisy 19 septambra izao ny didim-pitsarana

Ny Valosoa

Niakatra fitsarana omaly tolakandro ilay raharaha helikôptera tetsy Mahamasina, ka nitorian’ny tafika Malagasy olona miisa 4 dia ny talen’ny kolontsaina sy ny fiainam-piaraha-monina ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) Patrick Andriamisa, mpanao gazety 3 dia ny mpanao gazety ao amin’ny 24h Mada Mahery Rabearivony, Nadia Raonimanalina Le Quotidien sy MBS-Tv, ary Rahelisoa Arphine gazety Ny Valosoa Vaovao sady ao amin’ny seraseran’ny CUA. Naharitra ora 3 teo ny fotoam-pitsarana, mpisolovava miisa 5 mianadahy no niaro ireo notoriana.

Nahaliana ny maro ity raharaha ity satria feno hipoka ny efitrano laharana voalohany ao amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy, ary anisan’ny maro an’isa tamin’izany ny mpanao gazety izay naneho firaisankina tamin’ireo mpanao gazety namany, toy izany koa ny mpiasan’ny CUA naneho firaisankina tamin’ny taleny, sy ny anisan’ny mpiandraikitra ny seraserany. Tao aorian’ny fakana am-bavany sy ny fifandresen-dahatra dia nanambara ny filohan’ny fitsarana, izay nandray ity raharaha ity, fa ny alakamisy 19 septambra ho avy izao no hivoaka ny didy.

Ankoatra izany mahakasika ny raharaha toy izao, vao herinandro izay no vita ny dian’ny Ray Masina Fransoà teto Madagasikara, sanatria tsy hoe lasa izy dia hohadinoina ny hafatra napetrany fa vao mainka aza tokony hatao miraikitra ao an-doha ary mendrika ny hatao filamatra amin’ny asa atao. Ny Alatsinainy 9 Septambra 2019 dia nandalo tatsy amin’ny Nosy Maorisy ny Ray Masina Fransoà, nampihetsipo ny fandraisan’ny vahoaka maorisiana azy, satria firenena tsy katolika ry zareo fa ny mpanaraka ny fivavahana Hindou no maro an’isa any, kanefa dia tonga maro ny vahoaka nandray sy nihoby azy.

Tsy izay ihany fa mendri-piderana ny fihetsiky ny mpitondra maorisiana, izay nanome famotsorankeloka ireo voafonja miisa 114 noho ny fandalovan’ny Ray Masina Fransoà, tsy mba toy izany ny zava-nitranga teto amintsika fa andro vitsivitsy nialohan’ny nahatongavan’ity ray amandreny ampanahy ity dia nisy fiantsoana mpanao gazety teny amin’ny fitsarana ary mbola niakatra fitsarana omaly, sy ny Talen’ny Kolontsaina sy ny Fiainampiarahamonina ao amin’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra araka ny efa voalaza teo, tsy mbola nivoaka ny didimpitsarana fa amin’ny Alakamisy 19 Septambra izao no hivoaka ny didy.

Antenaina fa hijoro hametraka ny hasin’ny fitsarana sy ny fahamarinana ny fitsarana, isika Malagasy rahateo tsy tokony ho ambaka ny maorisiana satria isika no firenena lehibe indrindra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana ary ny filohantsika aza mitonona ho katolika hiringiriny.