Fiainam-bahoaka: velirano tsy misy ventiny ny an’ny fitondrana

Sôh’son

Ny maharary ny vahoaka no maika sy andrasana izao. Maro izy ireo, saingy zara raha nanaovan’ny fitondrana tsidi-pahitra amin’ny asa natao. Andrasana firy volana vao mifofotra hamaha izany? Ny maika?

Ireo toe-javatra iainany andavanandro: sakafo toy ny vary sy laoka, ny zavatra ilaina samihafa ahafahana mahandro azy ireo; ny fianaran’ny ankizy sy ny fahasalamana, ny fitateram-bahoaka sy fandriampahalemana, sns… Raha tsy hilaza hafa-tsy ireo ihany. Aiza ho aiza ny fihatsaran’ireo, sivy volana izao? Tsy misy mangirana hampitsiry fanantenana. Vahoaka ory ao anaty fahantrana, nampanantenaina fiovana goavana raha vao mandray ny fitondrana, kanefa inona akory no hita eo. Ny tamin’ny 2009 no naverina.

Ny lalana amboarina, eny misy hita soritra ihany, saingy efa fifanarahana tamin’ny fitondrana teo aloha ny ankamaroany, tsy tokony hidedahana izany. Misy amin’ireo asa ireo aza no tena hita ho mitarazoka tanteraka, ka mampijaly ny mponina amin’ireny faritra ireny. Tsy horesahana firy intsony ny amin’io fa efa be ihany izay noresahana teto amin’ny gazety izay. Andrasana fotsiny ny amin’ny fe-potoana amin’ny faran’ny taona, izay fotoana efa nahemotra im-betsaka, raha ho tratra indray. Miara-dalana amin’ny resaka lalana ny fitaterana. Tsy miasa mihitsy ity fitondrana ity raha eo amin’io lafiny io. Sivy volana ve dia tsy nisy vahaolana nampiharina amin’ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy misy fiovana ny fijaliam-bahoaka isan’andro amin’ny fitaterana. Tsy misy fihatsarany ny fijalian’ny mpianatra, ny mpiasa, ny mpivarotra, handeha hamonjy fianarana sy toeram-piasana amin’ny maraina na amin’ny hariva. Efa an-taonany maro io, ary mbola tsy voavahan’ny fitondrana Rajoelina mandraka ity ny androany. Avela hijaly eo ny vahoaka ary tsy hiasana saina firy satria ireo mpitondra sy ny fianakaviany tsy mandeha amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Tsy miasa ho amin’ny famahana haingana ny olam-bahoaka ny fitondrana.

Olana iray lehibe ankehitriny ihany iainan’ny vahoaka ny fampianaran-janaka. Mampihomehy ihany, araka ny fiteny ankehitriny, ny tolo-kevitry ny vadin’ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny hoe hatramin’ny 18 taona tsy maintsy mianatra. Sao dia mbola tokony handalina bebe kokoa ny amin’ny atao hoe Malagasy izy ireo? Mba atoroy izay manodidina sy mpanolotsaina azy mivady re, fa Izany Malagasy izany dia tia mampiana-janaka tokoa. Tena ao anaty soatoaviny sy toe-tsaina amam-panahin’ny Malagasy izany. Noho ny fahantrany lalina na ara-bola na ara-tsaina izay vokatr’izany ihany koa no fototry ny tsy ahafahany mampita ny zanany ho tonga amin’ny fara-tampony amin’ny fianarana. Ary raha mijery ny zava-misy ankehitriny, vao mainka lalina io fahasahiranana sy fahantram-bahoaka io. Nampidi-kizo azy ny fanjakana tamin’ny fanapahan-kevitra amin’ny fanovaovana ny rafi-pampianarana. Iaraha-mahita anefa izao fa tsy nisy vahaolana akory avy amin’ny fitondrana nanampiana ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany hianatra ho amin’ny taom-pianarana vaovao.

Raha tsy hilaza hafa-tsy ireo ihany, fa mbola maro no tokony hosinganina eto, dia hita tsotra izao, fa tsy ny mahamaika ny vahoaka eo amin’ny fiainana andavanandro no hikezahin’ny fitondrana. Sa izany ilay ataony hoe “ velirano”? Tsy misy “ventiny”…