Fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina – Miala any sahady indray ve ny halabato?

Fotoana hatomotra hanomanana ny fifidianana kaominaly izao no nanoloan’ny fitondrana tampotampoka ny tale jeneralin’ny tranoprintim-pirenena na ny “Imprimerie Nationale”, izay fantatra fa hanatonta amin’ity indray mitoraka ity ny bileta tokana ampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina ny faha-27 novambra ho avy izao.

Tamin’ny alaraobia 11 septambra teo no nanapahan’ny filankevitry ny governemanta fa  soloina ny tale jeneralin’ny “Imprimerie Nationale” Angelson Andriamboavonjy, ka i Andry Nirina Rajaofetra no voatendry ho tale jeneraly vaovao.

Miloko ho fanasaziana izao fanalàna ny tale jeneraly Angelson Andriamboavonjy izao, indrindra amin’izao fotoana manakaiky fifidanana izao satria raha tsaroana tamin’ny volana desambra nanatanterahana ny fifidianana filohampirenena dia namaky bantsilana tamin’ny haino amanjery ny fisian’ny karapanondro sy karapifidianana hosoka ny tenany ary nanazava tsara tamin’ny antsipiriany ny andraikitra mazava sahanin’ny “Imprimerie Nationale”.

Rohy horonantsary: https://youtu.be/w5MfUI5UxEs

Ho sahy hanao mangarahara tahaka ny tale jeneraly teo aloha ve ity vaovao voatendry ity raha misy indray ny hosoka? Vidìna lafo ankehitriny ny milaza ny marina.

Nangonin’i Lanzelo