HAZAKAZAKA ETO IARIVO

Fa nankaiza ny tanora no “goaika antitra” no ajoro?
(Nefa ireny anie mazàna, tena sarotra atoro!)
Ny tanora gasy vonona, moa tsy nisy nifidianana,
Sa voafitaka fa hoe hirotsaka Ravalomanana?

Diso kajy izany izao satria niseho ny tsy nampoizina?
(Ary dia tsy nety koa ireo hevi-dratsy izay novoizina?)
Ny hamingana an’i dada, izay no masaka ao an-tsaina,
Kanjo niala fandrika izy dia izao ‘nareo nangaina !

Dadabe sy zafikely, izany izao no hifaninana,
Ary dia tsy hay intsony izay ho voka-panadinana.
Ny azo antoka dia izao, mpandresy tsy hahazo laza
I dadabe raha toa mandresy ka mandavo an’ito zaza.

Nefa izay ilay hazakazaka izay andrasana ato ho ato.
(Ny irina dia tsy hisy ny hosoka sy ny hala-bato.)
Miomàna, miomàna, hafana indray ny renivohitra.
Sarimihetsika mitohy: ny mpiara-dia sa ny mpanohitra?

SEDERA RAVALISON (15-09-19)