Filoha Ravalomanana – Niantso ny Papa François hampihaona azy amin’ny mpitondra

Nangonin’Isambilo

Nialoha ny fahatongavan’ny Ray Masina François teto Madagasikara dia nandefa taratasy ho azy ny filoha Marc Ravalomanana, izay filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

Tamin’izany no nankasitrahan’i Dada azy noho ny hafatra nataony momba ny fitazonana ny voafonja eto amintsika, izay tokony hanaja ny zon’olombelona. Tsy hisy ny fampandrosoana eto amin’ny firenena hoy ny filoha Marc Ravalomanana, raha tsy mandray anjara avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampandrosoana.

Niantso ny Ray Masina François izy noho izany, hampihaona azy amin’ny mpitondra mba hisian’ny teny fifampiresahana sy fifanatonana eo amin’ny samy Malagasy ao anatin’ny foto-kevitra Kristiana, ho amin’ny filaminana politika, izay fototry ny fampandrosoana maharitra. Ny hafatra sy vavaka momba ny fiadanana homenao ny vahoaka Malagasy, sy ny mpitondra dia hanampy anay hanatratra izany tanjona izany hoy Dada.

Heverina fa ao aorian’ny fandalovan’ny Papa teto amintsika, hisy ny fifanatonana eo amin’ny samy Malagasy, na ny fampihavanam-pirenena tena izy.