Alakamisy 12 Sep 10 ora – Nanisana – Marc Ravalomanana – Filatsahana Ben’ny tanàna – Tongava maro

Lapan'ny Tanànan'Antananarivo

R.M.D.M – Ravalo no hampandroso an’Antananarivo

Ny Mpikambana ao amin’ny Vondrona R.M.D.M nanao valan-dresaka miaraka amin’ny Mpanao Gazety tetsy amin’ny Hotel Louvre Antaninarenina.

Andriamatoa Marc Ravalomanana no tapakin’ny Mpikambana ao amin’ny vondrona R.M.D.M (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), hapetraka ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nilaza i Alain Andriamiseza Mpikambana ao amin’ny R.M.D.M fa mendrika ho an’ny Filoha Ravalomanana Marc no ho Ben’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra, satria ity farany no lehiben’ny Mpanohitra ara-dalàna eto Madagasikara. Nanohy nanazava ity farany fa ny mponina Antananarivo foana no manapaka sy mametraka ny herin’ny fanoherana teto Madagasikara nandritra ny tantaram-pirenena, nanomboka ny fanjanahantany ary ny Filoha Ravalomanana no tsara toerana amin’ny fitarihana ny fanoherana.

Mbola nanamafy hatrany Andriamatoa Alain Andriamiseza, fa hijoro ny hasin’ny Antananarivo raha hijoro hanohana miaraka ny kandida Marc Ravalomanana ny vahoaka sy ny herin’ny fanoherana rehetra.

Nilaza i Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa Mpikambana ao amin’ny R.M.D.M, fa mila olona mahay mifehy ny fitantanana ny tanànan’ Antananarivo ny Ben’ny tanàna izay hapetraka eo amin’io toerana io. Nanohy nanazava Andriamatoa Tabera fa ny filoha Ravalomanana Marc ihany no efa manana traik’efa amin’ny fitantanana an’ Antananarivo Renivohitra satria efa nisahana ny andraikitra ben’ny tanàna ity farany talohan’ny naha Filoham-pirenena azy tamin’ny taona 2012. Nanamafy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa, fa tsy mora ny nandresy lahatra ny Fioha Ravalomanana Marc ho kandida Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra satria ity farany efa Filoham-pirenena Malagasy tao anatin’ny fotoam-piasana indroa misesy ary mbola kandida nifaninana nandritra ny fihodinana faharoa nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena izay notanterahina farany teo.

Manentana an’ireo Fikambanana avy any amin’ny faritra izay monina eto Antananarivo mba hiara-hisalahy hanohana ny kandida Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay hotanterahina tsy ho ela. Manentana an’ireo vahoaka mba hanatona ny Biraon’ny R.M.D.M raha hitady fanazavana misimisy kokoa mikasika ny antony fanohanana an’ Andriamatoa Marc Ravalomanana.

Nilaza ny Mpitandrina Edouard Tsarahame, mpikambana ao amin’ny R.M.D.M, fa hametraka antotan-taratasy filatsahan-kofidiana eny amin’ny OVEC Nanisana ny kandida Ravalomanana Marc miaraka amin’ny Vondron’ny fanoherana amin’ny alakamisy izao amin’ny 10 ora maraina, koa dia manentana ny vahoakan’i Antananarivo mba hiray fo sy saina hanotrona an’izany filatsahan-kofidiana hataon’ny kandida Marc Ravalomanana, sy ny Mpanara-dia azy eny an-toerana.

Franck Razakambelo