Andry Rajoelina ve ilay Mosesy hitondra any amin’ny fampanantenana?

Tao anaty ny kabary nataon’ny filoham-pirenena ho an’ny Papa Fransoa tao Iavoloha ny 8 septambra 2019 dia nalainy an-tsary ny dian’ny zanak’Israely avy tao Ejipta ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, ka nampitahainy tamin’ny tantaran’i Madagasikara nanomboka tamin’ny fotoan’ny fahaleovantena. Dia nanome toky ny Papa Fransoa ny tenany fa hanarina sy hanorina indray an’i Madagasikara, ka hiaino sy ho eo anilan’ireo mpirabelona, ka hampajaka ny fahamarinana sy ny rariny, ny fitiavana sy ny fanantenana. Izany hoe tokony ho Rajoelina vaovao, miova fo no hita eto manomboka androany. Hita taratra sahady fa anisan’ny olona mety ho voafidy atsangana ho Olontsambatra atsy ho atsy.

Tsy mazava loatra na mampitovy ny tenany amin’i Mosesy izay nitondra ny zanak’Israely tany amin’ny Tany Nampanantenaina i Andry Rajoelina, sa amin’i Josoa, izay namarana ny dia. Fantatra moa fa tonga teo amin’ny tany tiany hidirana i Mosesy no maty, ary i Josoa no nitondra ireo zanak’Andriamanitra. Ka dia izy izany no hamoaka ny firenena ao anaty ny haizina ary hitondra ny vahoaka any amin’ireo velirano nampanantenainy. Hatreto aloha ny mahavariana raha ampitahaina ny lazain’ity filohampirenena sy ny zava-bitany, raha tsy hiresaka ny fanonganam-panjakana sy ny fandrobana ny fahefana tamin’ny alalan’ny halabato, dia tsy nisy zavatra mba nivaingana tao anaty izay valo volana nitondràny izay, ny sosialim-bahoaka dia atao ankilabao ary kajikajy politika lava no mitazona ny saim-bahoaka amin’ny fanoherana tsisy farany ny mpanohatra, sy ny famingampinganana.

Raha hiverina amin’ny kabarin’ny filohampirenena isika dia nilaza ny tenany fa am-panetrehan-tena no mivoady eo anatrehan’ny Papa Ray Masina fa hitahy ny Malagasy, hampiseho azy ireo fa ny fitiavana no lehibe indrindra. Samy vavolombelona daholo moa ireo manam-pahefana isan-karazany, ny masoivoho vahiny, ny fiarahamonim-pirenena, sy ny mpanao gazety. Reny sy tsapany hono ny fijalian’ny Malagasy, ka vaky ny fony ary voadona ny fanahiny… [mitady ho latsaka ny ranomasoko!].

Tsikaritry ny mpanao gazety vahiny moa fa nisy nanalàna ilay kabary nolazaina tamin’ny teny frantsay rehefa nadika tamin’ny teny italianina. Voaala tamin’izany ny ambadika politika tao amin’ny kabary. Na izany aza dia mahazo teny frantsay tsara i Papa Fransoa, ka rehefa nandray ny fitenena izy dia nanipy teny [fanesoana] hoe: “Tena kabary mendrika avy amina olona tia tanindrazana!”. Ny tohiny avy eo moa dia hita fa fanairana amin’ireo tsy mety, fanasàna ny fitondrana hiaino ny fiaraha-monim-pirenena, sy ny tsindri-peo mavaivay maro hafa koa toy ny fandripahana ny ala, ny kolikoly, ny fahantrana mihoa-pampana, izay toa mifanipaka tanteraka tamin’ny kabarin’ny filohampirenena.

Koa ho ilay Mosesy na Josoa izay hitondra an’i Madagasikara any amin’ilay fampanantenana velorano tokoa ve i Andry Rajoelina? Sa dia ho mpitari-bato vilam-bava, ka ny tondroin’ny molotra hafa, ny ataon’ny tanana hafa.

Lanzelo