EDITO 10 Septambra – Rahoviana no higadona sy iainana ny andrasan’ny vahoaka ?

Sôh’son

Dia niaraha-nahita ireny ny fotoana samihafa natrehin’ny Papa François tao anaty andro vitsivitsy nandritra ny fitsidihany teto amintsika. Amin’ity andro ity izy no voalaza fa handao an’i Madagasikara, rehefa avy niserana tatsy amin’ny Nosy Maorisy omaly alatsinainy.

Niharihary fa teto amintsika no nanatombo ny andro nijanonany noho ny tao amin’ireo firenena hafa, toa an’i Mozambika sy ny Nosy Maorisy. Misy dikany lehibe izany tsy ho an’ny vahiny ihany, fa ho an’ny eto amin’ny firenena ihany koa, indrindra ireo voakasika akaiky. Ny andrasana izany izao dia hoe: hanova inona eto amin’ny firenena izany fandalovana fotoana lavalava teto izany?

Raha ho an’ny mpianakavin’ny finoana katolika dia efa mazava ihany ny azy iny, fa raha ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra kosa dia misy ny andrasany satria nisy ny dinika nifanaovany tamin’ny filohan’ny Repoblika sy ireo tompon’andraiki-panjakana samihafa eto amin’ny firenena. Marihina fa eo amin’ny 2/3 ny vahoaka Malagasy eo no tsy mpino katolika avokoa araka ny fanadihadiana tsotsotra. Na izany na tsy izany, miverina amin’ny laoniny indray aloha ny fiainam-bahoaka taorian’izao fotoan-dehibe ara-pinoana izao, izay tsiahivina fa tsy ny an’ny fiangonana katolika ihany, fa nanana ny azy koa ny fiangonana hafa toy ny loterana Malagasy.

Miverina amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka toy ny tamin’ny andro manan-tantaran’ny ekipam-pirenena Malagasy niatrika ny Can 2019 tany Egypta. Taorian’ireny dia nandrasana izay fiovàna hitranga na teo amin’ny fiaraha-monina sy ny mpiray tanindrazana, na teo amin’ny fitantanam-pirenena sahanin’ny fitondrana. Dia iaraha-mahita ny zava-misy iainam-bahoaka hatreto sy ny fomba fitondrana vahoaka. Misy fanampiny indray ity izao ny tranga mahakasika ny rehetra, ka iaraha-mahita eo izay akony na ho fiantraikany. Ny adihevitra dia hoe : misy tranga toy ireny efa niainan’ny vahoaka impiry vao ho tonga ny andrasany ?