Nahazo fahafahana vonjimaika izy 4 mianadahy – Amin’ny 16 septambra ny fitsaràna ny rahahara angidimby

Niakatra tao amin’ny fampanoavana, tao amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy omaly, ilay raharaha angidimby nisidina tsy naka alalana tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny zoma lasa teo.

Raharaha izay nivadika ho fanelezana vaovao tsy marina, ka nitazonana tao amin’ny BC Anosy ny sabotsy sy ny alahady teo ny talen’ny kolontsaina sy ny fiainam-piarahamonina ao amin’ny CUA, Patrick Andriamisa sy ny mpanao gazetin’ny 24h Mada, Mahery. Nalaina am-bavany momba ity raharaha ity koa ny mpanao gazety isany Nadia Le Quotidient-MBS, sy ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny CUA, Helisoa.

Tao aorian’ny fiakarana tamin’ny fampanoavana omaly hariva dia fantatra fa hatao ny 16 septambra ho avy izao ny fotoam-pitsarana.

Ny fahitan’ny mpanara-baovao ity raharaha ity dia fampihorohoroana ny mpanao gazety izao ataon’ny fitondrana izao, karazan’ny fampirehetana afo ihany koa anefa izany ho an’izy ireo satria andro vitsy mialohan’ny hahatongavan’ny Papa Ray Masina eto amintsika, no manao antsojay amin’ny mpampita vaovao sy ny CUA ny fitondrana Rajoelina.

Maro no nanambara momba ity raharaha ity, fa tsy afaka nifampiresaka mialoha tamin’ny CUA ve ny ministeran’ny fiarovam-pirenena, momba iny filazana fanazarantena amin’ny fiaraovana ny Papa nataon’izy ireo tamin’ny angidimby iny. Mifanohitra amin’ny fanambarana nataon’ny ministra Lalatiana Rakotondrazafy koa anefa ny nataon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena, ny azy dia fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina no voalazany ny sabotsy, tao aorian’iny raharaha nitranga teny Mahamasina iny.

Manaraka izany, tsy tokony hisy olana ny hanamboarana ny kianga eo Mahamasina raha toa ka misy ny fifampiresahana mialoha eo amin’ny fitondrana sy ny kaominina, sy raha toa koa ka efa miha-afaka ny fahasahiranan’ny vahoaka… Ny ppn miakatra izay tsy izy ny vidiny, ny tsy fandriampahalemana mirongatra isanandro izao, ny fiakaran’ny jirama manginy fotsiny, nefa ny délestage sy ny fahatapahan-drano koa tsy lazaina intsony, ny fakana tanin’olona etsy andaniny…

Dia manoloana ireo fahasahiranan’ny vahoaka ireo ve dia ny vaha-olana mba hitan’ny fitondrana dia hoe hamboarina ny kianjan’i Mahamasina, nefa tsy mifampiresaka amin’ny mpitantana ny kianja akory izy ireo dia ny CUA.

Hita fa kajikajy politka amin’ny fifidianana ben’ny tanàna indray izao ataon-dRajoelina sy ny forongony izao.

Ny Valosoa