Antaninarenina – Tsangambato filoha Zafy Albert – Tsipahan-dRajoelina ny toerana nomen’ny CUA

Filam-banona amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), toy ny resaka fako sy raharaha angidimby indray ve izao asesiky ny fitondran-dRajoelina izao amin’ny fitsipahana ny toerana efa raikitra eo Antaninarenina ametrahana ny tsangambaton’ny filoha Zafy Albert?

Tsaroina fa notakanana ny faha-24 Jolay 2019 tetsy Alarobia ny lalana mitondra ny anaran’ny filoha teo aloha Profesora Zafy Albert, izay ambaratonga voalohany amin’ny tetikasa fanamarihana ny anarany ho an’ny rain’ny demokrasia eto Madagasikara. Araka ny fangatahana nataon’ny fianakaviany sy ny Komity fampihavanam-pirenena (CRN) tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, dia nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny tanàna momba io tetikasa io, ka ny ambaratonga faharoa dia ny fitokanana ny tsangambato mitondra ny anaran’ny filoha Zafy Albert.

Etsy Antaninarenina no toerana efa nomen’ny CUA. Ankehitriny anefa dia nahazo tatitra avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika ny filohan’ny CRN, Tabera Randriamanantsoa milaza fa tsy mety io toerana eo Antaninarenina io ary mangataka ny CRN hanolotra toerana telo vaovao hahafahany misafidy izay mampety azy. Karazana filam-banona ihany izany satria atao tsinontsinona ny hevitra tapaka teo amin’ny filan-kevitry ny CUA, dia terena ny CRN sy ny CUA hikaroka toerana telo vaovao, ka ingahy Andry Rajoelina no hanana ny teny farany. Izy nokasaina omena voninahitra indray ity no manjary mampiseho avonavona sy manao tsinontsinona ny CUA sy ny CRN.

Nanambara i Tabera Randriamanantsoa fa etsy Antaninarenina no efa toerana nomen’ny CUA amin’ny fametrahana ny tsangambato, ary nanamafy ny tenany fa tsy maintsy ny CUA ihany no ivantanan’ny fangatahana fa tsy an’ny fiadidiana ny repoblika satria ny kaominina no mitantana ny tanànan’Antananarivo. Notsindrin’i Tabera Randriamanantsoa fa tsy an’ny CRN irery ny filoha teo aloha Zafy Albert fa an’ny Malagasy rehetra, ary ray aman-drenin’ny Malagasy. Manoloana izany dia voninahitra ho an’ny Malagasy tsy vaky volo ny fisian’ny tsangambato tahaka ny lalana izay efa notokanana sy nampitondraina ny anarany ho an’ny rain’ny demokrasia eto Madagasikara.

Lalaovina sy viraviraina foana ny fiainam-bahoaka amin’ity kajikajy politika ity. Aiza ihany no tian’ity fitondrana ity hahatongavana? Tsy hisy mihitsy fiainana milamina sy fampandrosoana maharitra eto amin’ny tany sy ny firenena raha tsy mahay mifanaja sy mifampihaino ny tsirairay, eny fa na dia tsy mitovy àry ny firehan-kevitra. Tokony ho tsaroin’ity fitondrana ity fa na inona na inona sakana ataony na hery famoretana ampiasainy amin’ireo heveriny ho manelingelina na tsy mitovy firehana aminy, tsy ho voagejany na oviana na oviana ny saina sy ny fanahin’izy ireo.

Ny Valosoa Vaovao