EDITO 3 Septambra – Fiainana andavanandro – Miaka-bidy hatrany ireo sakafo fanjifan’ny vahoaka

Radafy

Miharihary fa tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Misondrotra vao tsy ela izao ny vidi-menaka ary hatrany amin’ny 1000 ariary ny fisondrotany. Efa nidangana rahateo ny vidim-bary, ny arina fandrehitra, ny hena, ny savony; izao indray koa dia misondrotra ny vidin’ny siramamy. Tena ain-dehiben’ny vahoaka andavanandro ireo, raha tsy hilaza hafa-tsy ireo fotsiny. Miha-sarotra araka izany ny fiainan’ny vahoaka andavanandro amin’izao fotoana izao. Etsy ankilany anefa ny karama tsy misy fiovàny, ny fivelomana voatohintohina mandrakariva amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Miharitra ny mafy ny vahoaka amin’izao fotoana izao, ary tsy manantena faravodilanitra mba hihiratra.

Ny tena mandreraka ny saina, dia ilay fitondrana toa tsy maika, tsy mifofotra amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’izany, fa variana amin’ny zavatra hafa tsy laharam-pahamehana. Tsy lavina, miasa sy manao zavatra ihany, saingy mivilana ary amin’ny tsy ilain’ny vahoaka maika. Ny an’ny fitondrana izay nahamaika azy, dia nihazakazahany fatratra, fa raha momba ny vahoaka, asa milamina izany. Tany am-piandohana anefa dia niseho babany ery, kanefa toy ny “akoho mivoaka maraina, tsy lavitra” ity izy. Marina tokoa ny fitenenana hoe ”eny am-piandrasana mahita ny atiny”. Dia izao iaraha-mahita sy miaina izao tokoa ny zava-misy.

Raha izao no mitranga, mila manomana saina ny vahoaka ny amin’izay zavatra hiaka-bidy manaraka. Any amin’ny volana desambra sy janoary maitso ahitra angamba, hampiteny ny moana ny vidin-javatra eto amintsika.