MIANDRY AN’IZA HO AVY INDRAY ?

Miandry an’iza ho avy indray vao mety hisy fanamboarana ?
Tsisy rano eto aminay efa nandritry ny hefarana !
Nefa fantatra mazava fa ny rano anie dia “aina”.
Saingy ho anareo mpandrava, angaha ‘nareo mba miasa saina !

Miandry an’iza ho avy indray vao hohatsaraina ny tanàna ?
Handalo ilay nandrasanay, handalo koa ve ny hafanana ?
Seho ivelany hatrany izay rehetra mba natao,
F’izany foana, izany ihany ny anareo hatramin’izao ?

Miandry an’iza ho avy indray vao hihetsika ny lamasinina ?
Sa hofaizina izahay ka angidimby no ampanidinina ?
Dia enjehina daholo ireo rehetra manakiana.
Tena hoe vonoina lolo sy iniana ampahoriana ?

Miandry an’iza ho avy indray vao mety hilamina ny tany ?
Ny voalaza taminay dia hoe tsy ho ela intsony izany.
Kanjo indrisy, mahonena, hafa no mahazo laka.
Potika ny firenena, jiolahy no toa manjaka !

DADAN’i ZINA (02-09-19)