Kaominina Ambohijanaka – Mitsangana ny lisea vaovao

Tontosa soa aman-tsara ny foto-drafitrasa fananganana lisea vaovao ao amin’ny kaominina Ambohijanaka. Tonga nitokana ny lisea ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy, izay ben’ny tanàna teo aloha, ny zoma maraina 30 aogositra.

Volan’ny kaominina madiodio no nananganana ny foto-drafitrasa, tamin’ny alalan’ny hetra sy haba voaray tao anaty taona iray sy tapany teo. Mitety eo amin’ny 152 tapitrisa ariary eo ny nanatontosana ny lisea, izay miisa efitra enina.

Mbola misy ny mpampianatra FRAM ao anaty ny kaominina Ambohijanaka, izay mbola miantsoroka ny lany rehetra momba azy ireo. Efa natao ny fangatahana eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena handraisana azy ireo ho mpiasam-panakana.

Fanamby napetraky ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy fony izy mbola ben’ny tanànan’Ambohijanaka ny fananganana lisea ho an’ny mponina tao amin’ny kaominina notantaniny. Ankehitriny tanteraka izany ary ny vahoaka rehetra eran’ny kaominina no misitraka azy.

“Izao no anaporofoina fa rehefa miray hina ny olon-drehetra dia mahavita manangana foto-drafitrasa sy mampandroso ny tanàna”, hoy i Alain Ratsimbazafy.