Raharaham-pirenena – Mampigadra ny filazana sy ny fitadivana ny marina

Helisoa

Nandritra ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana dia anisan’ny nanenjehana mafy azy ny famoronana lainga, fa hoe mpitondra mpanao didy jadona ny tenany. Tsy navelan’ny mpanongam-panjakàna notarihin’i Andry Rajoelina raha tsy nidaraboka ny fitondràna Ravalomanana vokatr’izany.

Rehefa tonga teo amin’ny toerany ny fitondràna tetezamitan-dRajoelina Andry dia nanantena ny rehetra fa hiova i Madagasikara, kanjo ilay zavatra niampangàna ny filoha Marc Ravalomanana indray no tena nampihariny teto Madagasikara. Nenjehina izay tsy nitovy hevitra tamin’ny mpitondra tetezamita tamin’izany: mpanao politika, mpitondra fivavahana, olontsotra, foloalindahy; mpanao gazety sns …, ka nampidirina amponja teny Antanimora sy Tsiafahy.

Ankehitriny, ao anatin’ny fitondràna izay azo lazaina ho ara-dalàna ny filoha Andry Rajoelina na dia nahabe resaka aza ny fomba niakarany teo amin’ny toerany, satria samy nahatsapa ny rehetra fa nisy tsy fahatomombanana iny fifidianana filohampirenena iny. Ao anatin’izany anefa dia tadiavina haverina indray ilay fomba amam-panao tamin’ny tetezamita manenjika ireo izay heverina fa manelingelina ny mpitondra. Ireo izay miezaka milaza ny marina sy mikatsaka ny hisian’ny fahamarinana eto amin’ny firenena dia FONJA no miandry azy, na tsy avela hivoaka an’i Madagasikara, na atao ihany koa izay hampihorohoroana azy ireo mba tsy ho afaka hikofoka intsony.

Amin’ny tambazotran-tserasera Facebook koa dia miakatra ny feo atao amin’ireo olona izay heverina fa mamoaka vaovao manohintohina ireo mpitondra. Avy hatrany dia ampiasaina ny seraseran’ny mpitondra: gazety sy radio ary fahitalavitra hampitahorana ireo izay milaza ny marina sy mitady ny marina. Tsy vitan’izany fa eo ihany koa ny famoron-dainga isan-karazany hanosoram-potaka ireo izay heveriny fa mamely ny mpitondra amin’ny fampiasàn’ny mpomba azy ireo kaonty FAKE.

Fehiny, efa azo lazaina fa hihàtra eto Madagasikara ny fanjakàna tsy refesimandidy raha mitohy izao fomba mamohehatra ataon’ny fitondràna TGV tarihan’i Andry Rajoelina izao.