Kianjaben’i Mahamasina – Angidimbin’ny fitondrana niditra an-tery

Helisoa

Hatramin’ny fotoana nipetrahan’ny filoha Andry Rajoelina teo amin’ny fitondràna dia maromaro ihany hoy ilay tsy mahay manisa izay, ny zavatra hita mibaribary fa tsy mety tamin’ny fanapahankevitra noraisin’ny fitondràna. Tranga vitsivitsy no havoaitrantsika eto fa ho feno ny gazety raha ho tanisaina eto avokoa izany.

Vao tonga teo amin’ny fitondràna Rajoelina Andry dia nilaza fa hampiarahina ny fifidianana depiote sy fifidianana lalampanorenana vaovao. Niasa avokoa ny orin’asan-tseraseran’ny mpitondra tamin’izany nanasa ny atidohan’ny vahoaka Malagasy hoe mety io zavatra atao io satria hampahaingana ny fampandrosoana ny firenena miainga eny ifotony hono. Nolavin’ny HCC avy hatrany anefa io fanapahankevitra noraisin’ny fitondràna io satria tsy mifanaraka tamin’ny lalampanorenana. Avy hatrany dia namaly sy namendrofendro indray ny filoha, fa hoe misy ny sakana amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony eto. Izany ve no toetsaina mpitondra izay midradradradra ny tany tan-dalàna ?

Nanambara ny filoha Andry Rajoelina tany Tokyo fa ho ampitomboina ny tanimbary azo volena vary eto Madagasikara. Ny fantatra anefa ankehitriny dia tanimbary mirefy 1000 ha no tetehin’ny fanjakàna hototofana hanaovana tetikasa Tanamasoandro izay tsy ahitan’ny vahoaka tombontsoa akory eny Ambohitrimanjaka. Tsy ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa eto no tena imasoan’ity fitondràna ity fa ny mahafalifaly fotsiny ihany.

Vao omaly tamin’ny misandratr’andro dia tonga tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny angidimby miisa 2 nakanaka sary tao an-toerana fa hoe hamboarina hono ny kianja . Mbola mipetraka indray eto ny tsy fanarahan-dalàna satria manan-tompo, manana mpitantana io kianja io dia ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Tsy mba nisy fifampiresahana tamin’ny tompon’andraikitry ny tanàna sy ny vahiny niditra tao fa avy hatrany dia manampatra fahefana. Tan-dalàna ve izany?

Ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana tsy mbola nanisy olana raha misy ny tetik’asa fanatsaràna tiana hatao eto amin’ny tanànan’Antananarivo, ka tsy tokony ho nanaovana fandaniambe nitondràna angidimby teo Mahamasina raha nisy ny fifampiresahana. Mahakasika izay nisy ny fanambarana avy amin’ny CUA, fa tsy laharam-pahamehana ho azy ireo ny fanovana na ny fanarenana tian’ny fiadidiana ny Repoblika hatao ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Raha ny lalàna mifehy ny vondrom-bahoakam-paritra no jerena, ny ben’ny tanàna no manolotra tetikasa amin’ny fanatsarana ny kaominina iadidiany, ary ny fanapahan-kevitra avy eo dia tsy maintsy raisina ao anivon’ny Filan-kevitra Monisipaly. Noho izany, mandingana sy mandika lalàna indray eto ny fitondrana Andry Rajoelina raha mikasa hanamboatra an’i Mahamasina.Karazan’ny bontolo tsy manaja lalàna fotsiny no ataon’izy ireo momba ity raharaha ity.

Mitombo hatrany eto ny fahotàna mahafaty ataon’ny fitondràna Rajoelina sy ny forongony, ka asa raha rahoviana no mety ho hiafaràn’izany?