NY TANAMASOANDRONAREO

Aminay dia ny tanamasoandro no mitondra ny fahazavana.
Izy koa no mamelona indray irony afon’ny fanantenana.
Fa tsy hoe izy indray no mandrava sy manimba an’itony tontolo,
Ka mametraka lamina hafa hamotehana ny ambanivolo.

Aminay dia ny tanamasoandro no mamerina indray ny hafanana,
Hirosoana amin’ny dingana tsara hiandrandrana an’ilay fanovana.
Fa tsy hoe izy indray no hijoro hanatevina ny haizin’ny alina,
Sy handefa ireo olo-mahantra any an-davaka tery sy lalina.

Aminay koa ny tanamasoandro dia tsy anarana hijejojejoana
Isarihana masom-bahoaka, na ho sehatra isehosehoana.
Tsy firaisana tsikombakomba amin`iretsy lazaina ho “firàmaka”,
Na koa asan-devoly mpandrava hanjeràna ary koa hampandamaka.

Ka ny tanamasoandronareo, aza amboarina na koa ovàna
Hamitahana ireo olon-tsotra, ary indrindra ny “ambany tanàna”.
Fa mba tano ho mpizara hafanana ary koa mpanome hazavana,
Hamafana ny anaranareo tsy ho lehiben’ny mpandika lalàna !

DADAN’i ZINA (22-08-19)