EDITO 13 Aogositra – Fitondrana Rajoelina – Tsy mahita afitsoka amin’ny vahaolan’ny sosialim-bahoaka

Sôh’son

Saika any amin’ireo tsy tena mahamaika ny vahoaka no ihazakazahan’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, valo volana aty aoriana ny niakarana teo amin’ny toerana.

Tsy lavina, ndeha atao hoe miasa ny fitondrana Rajoelina, saingy izany asa izany tsy misy fiantraikany akory any amin’ny fiainan’ny isam-baravaran’ny tokantranon’ny sarambabem-bahoaka. Ny fifampiraharahana tamin’ireo mpandraharaha solika, izay nisiana fidinan’ny vidin-tsolika kely dia kely, ary tsy atao ho mahagaga tsy nihontsona akory fa nihizihizy hatrany ny sondro-bidim-piainana andavanandro. Ny sakafo fanjifan’ny vahoaka andavanandro na ny PPN dia tsy misy mangirana ny fihenam-bidiny fa vao mainka aza manambana ny hiaka-bidy hatrany isan’andro.

Saika ny ihazakazahana ankehitriny dia ny fanendrena tompon’andraikitra amin’ny toerana maro samihafa, valo volana aty aoriana, ary tamin’ny filankevitry ny ministra farany dia mbola nisy izany. Izany hatrany no mahamaika ny fitondrana sy ireo olona tendreny ho lehibe hitana toerana iray. Iaraha-mahalala fa tafiditra ao anaty kajikajy samihafa amin’ny lafiny politika izany fomba fiasa izany. Tsy atao ho mahagaga araka izany raha tsy mahita afitsoka amin’ny famahana olana ny sosialim-bahoaka hatreto ny fitondrana satria variana amin’ny fanaovana paipaik’ady politika sy fametrahana vatom-panorona etsy sy eroa hifikirana mafy eo amin’ny fitondrana.

Ilay vahoaka izay manantena mafy ny teny fampanantenana be fa hiova ato anaty fotoana fohy ny fiainany anefa etsy ankilan’izany toa voarirarira be ihany ary toa tratry ny fanarian-dia samihafa amin’ny zavatra tsy dia mahasoa azy loatra. Ankehitriny izao dia tafahitsoka lalina anaty fahasahiranana ny ray aman-drenin’ny mpianatra, indrindra ireo manan-janaka mianatra any amin’ny sekoly tsy miankina noho ny lafiny fanovaovana ny tetiandrom-pampianarana vaovao amin’ny taom-pianarana ho avy. Vokany, tsy hisy fialan-tsasatra ampy tsara ny mpianatra, ary ny ray aman-dreny dia tsy hanam-potoana mihitsy mba hanomanana ny fampidirana ny zanany hianatra. Raha atao mahitsy, sempotra ny ray aman-dreny amin’ny fampianaran-janaka amin’izao fotoana izao. Tsy manana vahaolana mazava sy tsara momba izany ity fitondrana miseho babany noho ny rehetra ity. Ny sehatra hafa tsy lazaina intsony amin’ny tsy fivahan’ny olam-bahoaka. Hanantena tsy misy ve izany ny vahoaka Malagasy?…