IZAY ILÀNA NY MPANOHITRA

Tsy hoe ho mpanohitra be fahatany,
Tsy izany tsy akory no hoe hijoroana,
Fa mila miteny sy manitsy ihany,
Mba hoenti-manarina ny hadisoana.

Tsy hoe ho mpanohitra be fahatany,
Tsy dia izany loatra no zava-kendrena,
Fa mila arofanina tsy hianjerany
Ireo olo-mitondra an’ity firenena.

Ka na ny mpanohitra na ny mpitondra
Dia hahay hanoro na koa hotoroana.
Tsy hikiribiby amin’ny lohan’ampondra,
Na hoe hifanebaka lava eny foana.

Ny akoho no deraina ho mahery mandeha,
Fa raha mandia sahafa, solafaka ihany.
Koa tairina foana ny mpirehareha
Mba ho mailo fa malama maina ny tany.

Ny fifanitsiana no zava-kinendry
Ary izay mampisondrotra no imasoana.
Ry olom-boafidy, ry olom-boatendry,
Fanteno ny tsara ho fampandrosoana.

DADAN’i ZINA (09-08-19)