Finoana katolika – Tena ho avy ny Papa François

Tena ho avy eto Madagasikara ny Papa François, filohan’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana maneran-tany. Nanamafy izany omaly (5/8/2019) teny amin’ny tranon’ny Nonce Apostolika Ivandry, ny solontenan’ny Papa eto Madagasikara, ny Nonce Apostolika sy ny mpitarika ny EKAR eto Madagasikara, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo.

Tsy araka ny tsaho aelin’ny sasany fa resaka fotsiny izany hahatongavan’ny Ray Masina eto amintsika, fa tena ho avy tokoa izy. Nampahafantarin’izy ireo omaly io, ny fandaharam-potoanany manontolo mandritra ny hahatongavany eto amintsika afaka iray volona anio dia ny 6 septambra ho avy izao izany, ka hatramin’ny 10 septambra 2019.

Firenena telo no hotsidihan’ny Papa François amin’izao fivahiniana hataony izao dia i Mozambika, i Madagasikara ary ny Nosy Maorisy, hanomboka ny 4 septambra ny hitsidihany ireo firenena telo ireo, ka tsy hifarana raha tsy ny 10 septambra.

Ny zoma 6 septambra 2019 amin’ny 4 ora sy sasany dia hisy ny lamesa fandraisana azy amin’ny fahatongavany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.

Ny sabotsy 7 septambra dia hihaona amin’ny filoha Andry Rajoelina izy, hihaona amin’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara. Hihaona amin’ireo Eveka eto amintsika. Hitsidika ny fasan’ny Olon-tsambatra Victoire Rasoamanarivo ary ny alina dia hisy ny fiarahany miari-tory amin’ny tanora eny amin’ny Soamandrakizay Androhibe.

Ny alahady 8 septambra ny lamesa lehibe hotarihany eny amin’ny Soamandrakizay Androhibe manomboaka amin’ny 10 ora maraina. Ny tolakandro dia hitsidika ny Toby Akamasoa ny Ray Masina, hivavaka ho an’ny mpiasa eny amin’ny Chantier Mahatazana, hihaona koa amin’ireo pretra amin’ny relijiozy ao amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe.
Ny alatsinainy 9 septambra kosa izy dia ho atsy amin’ny Nosy Maorisy, hiverina eto amintsika ihany amin’io alatsinainy io amin’ny 8 ora alina.

Ny talata 10 septambra amin’ny 9 ora maraina ny Papa François no handao an’i Madagasikara hihazo an’i Roma Italia.

Raha momba ny toerana handraisana azy dia efa vita 90% ankehitriny ny asa, mpilatsaka an-tsitrapo miisa iray alina mahery no hahetsika hanampy ny mpitandro filaminana amin’ny fitandroana ny filaminana, mandritra ireo andro handalovan’ny Papa Ray Masina eto Madagasikara izao.

Marihina fa 30 taona lasa izay no nandalovan’ny Papa Ray Masina farany teo Madagasikara dia ny Papa Jean Paul II.