Depiote Ramboasalama – Hataovy amin’ity taona ity ny fifidianana ben’ny tanàna

Isambilo

Nanao tatitra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierampirenena farany teo, ny depioten’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-4, Antananarivo Renivohitra, Ramboasalama Emilien ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina. Tatitra tamin’ireo mpifidy avy amin’ireo fokontany miisa 32 mandrafitra ity Boriboritany ity.

 

Feno hipoka ny Kianja Mitafon’i Mahamasina nandritra io fotoana io. Tamin’izany ihany koa no nankasitrahan’ny depiote Ramboasalama Emilien ireo mpifidy azy tao amin’ity Boriboritany ity, nisy ny famonoana omby niaraha-nisakafo nizarany ny nofon-kena mitam-pihavanana.

Tamin’io fotoana io ihany koa no nanehoan’ity olom-boafidy ity ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, toy ny mahakasika ny satan’ny mpanohitra. Ampiharo aloha izany lalàna izany hoy izy, avy eo vao tokony hahitsy raha misy hahitsy. Ny momba ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny Kaominina ho avy, hataovy amin’ity taona ity izany fifidianana izany ary tsy azo ekena ny mety ho fanendrena PDS hoy izy, satria didy jadona sy tsy ara-dalàna ary tsy manaraka ny demokrasia izany.

Nanentana ny fototry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sy ireo mpiara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana izy, hiomana sahady amin’izany fifidianana kaominaly ho avy izany, na mbola tsy fantatra aza ny daty hanatanterahana azy. Efa nentaniny koa ny rehetra handray anjara amin’izany fifidianana rehefa ho tanterahana, adidy no mifidy hoy izy.