EDITO 18 Jolay – Tsy mbola milamina ny seha-pampianarana

Sôh’son

Manomboka miditra amin’ny fotoanan’ny fanadinam-panjakana ny fampianarana ankehitriny. Efa miomana fatratra amin’izany ireo kilonga madinika hiatrika ny fanadinana ara-panjakana Cepe amin’ny faramparan’ity volana ity.

Fotoana izay tsy mbola nisy tao anaty taona maro izao satria efa miaina ny fialan-tsasatra izy ireo talohan‘izao. Noho ny fikasana nataon’ny fitondrana teo aloha hanova ny vaninandron’ny fotoam-pianarana eto Madagasikara no anton’izany. Ny vokatr’izany dia niatrika taom-pianarana nandritra ny 12 volana be izao ny ankamaroan’ny mpianatra tany amin’ny garabola, izay tsy mifanaraka velively amin’ny lafiny ara-pedagojika izany. Ninian’ireo nanapa-kevitra ny amin’izany nikimpiana anefa izany niainan’ny mpianatra izay.

Etsy ankilan’izany fanaovana andrana ny zaza Malagasy izany, dia tsikaritra ihany koa, fa nisara-dia amin’ny fiomanana fanadinana ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina tamin’ity taona ity. Raha niaraka hatramin’izay, dia tsy toy izany intsony, fa samy nanao izay fandaminana ny azy. Ary araka ny re dia mikasika resa-bola no tena anton’io fanapahan-kevitra io. Tsy maninona raha tsy hiteraka zavatra hafa izany, fa hijanona fotsiny amin’izay lamina noho ny resa-bola izay ihany. Kanefa tsy tokony hitohy io fampisarahana ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina io amin’ny fiatrehana fanadinana andrana na “examen blanc” io eto amin’ny firenena. Maro ny lafitsarany amin’ny fampiarahana ny mpianatra mpiadina amin’ny fotoana toy izany noho ny fampisarahana toy izao, raha araka ny hevitry ny mpandinika mpisehatra amin’ny fanabeazana.

Azo lazaina ho lesoka mitranga eo amin’ny seha-pampianarana izao toe-javatra samihafa izao. Ity sehatra ity izay hatramin’ny fotoana maro no efa nanana olana, ary vao mainka mitombo ny olana amin’izao fotoana izao. Andrasana amin’ny fitondrana ankehitriny ny vahaolana amin’izany, ary antenaina fa tsy ho variana amin’ny zavatra hafa izay heveriny handaminan-tseza izy ireo.